Fizahan-teny

Ohabolana : mihaona

Ohabolana 1Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana. [2.165]
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana. [2.415 #3097]
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro ihaonana. [2.558 #545]
Aza masoandro ririnina ka vao mihaona dia manjombona. [2.558 #702]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le soleil d' hiver qui est couvert lorsqu'on le rencontre mais faites comme le soleil de printemps qui apporte la joie. [2.415 #3097]
Quand on vous rencontre, n' ayez pas un visage sombre tel un soleil d' hiver, mais ayez plutôt un visage gai comme le brillant soleil du printemps. [2.165 #1259]
Fanazavana frantsayEntretenez la joie. [2.415 #3097]

Ohabolana 2Aza manao rary harato, mifanakaiky nefa tsy mihaona. [2.558 #559]
Aza manao rary harato, railahy: mifanakaiky, kanefa tsy mihaona. [2.653 #491]

Ohabolana 3Isika roa lahy toy ny vato falia sy ny vanja : ka isaky ny mihaona, mitselatra ihany. [2.165 #318, 2.415 #5605]
Vatofalia sy vanja: isak’ izay mihaona mitselaka ihany. [2.653]
Vatofalia sy vanja : isak' izay mihaona mitselatra ihany. [2.558 #4890]
Dikanteny frantsayNous deux, nous sommes comme la pierre à fusil et la poudre chaque fois que nous nous rencontrons, le feu jaillit. [2.415 #5605]
Nous deux sommes comme une pierre à fusil et de la poudre: chaque fois que nous nous rencontrons le feu jaillit. [2.165]

Ohabolana 4Ny maty mihaona aman-kavana, ny velona mihaon-drahateo. [2.558 #3134]

Ohabolana 5Rary harato (isika mirahalahy): mihaona ihany, fa tsy mipaka. [2.653]
Rary harato : mihaona ihany fa tsy mipaka. [2.558 #3720]

Ohabolana 6Vanja sy afo : raha mihaona mamohehatra. [2.558 #4852]
Vanja sy afo : raha mihaona, mampidi-doza. [2.653 #3608, 2.974 #297]
Vatofalia sy afo : isak' izay mihaona mampidi-doza. [2.415 #465]
Dikanteny frantsayPierre à fusil et poudre : s' il y a rencontre, cela cause des malheurs. [2.415 #465]
Poudre et feu : rencontre dangereuse. [2.974 #297]
Fanazavana frantsaySe disait de deux personnes difficiles, surtout de deux personnes en colère. [2.415 #465]

Fizahan-teny