Fizahan-teny

Ohabolana : mody

Ohabolana 1Aleo malaza ho sarotra, toy izay hitondra alahelo mody. [2.415 #5643, 2.653 #91]
Aleo malaza ho sarotra, toy izay mitondra alahelo mody. [2.558 #120]
Dikanteny frantsayMieux vaut emporter la réputation d' un homme difficile et bourru que de rapporter chez soi le malheur. [2.415 #5643]

Ohabolana 2Amboa maka valala : ny kibo ihany no fenoina. [2.415 #6202, 2.653]
Amboa maka valala: ny kibo no fenoina dia mody. [2.558 #169]
Dikanteny frantsayChien qui chasse les sauterelles : il ne songe qu' à remplir son ventre. [2.415 #6202]
Fanazavana frantsaySe disait des gens insouciants qui vivent au jour le jour sans penser au lendemain. [2.415 #6202]

Ohabolana 3Amboan-dRatsikonkona : sady tsy mody tsy tamàna. [1.147 #A47]

Ohabolana 4Andriandahin' i Malaza : miantsena, lanjaina ; nony mody, milanja ondry. [2.415 #470, 2.653]
Dikanteny frantsaySeigneur de Malaza : quand il va au marché, il est porté en palanquin ; quand il revient du marché, il porte un mouton sur ses épaules. [2.415 #470]
Fanazavana frantsayAllusion à un seigneur riche, mais original et de peu de tenue ; se disait en guise de moquerie. [2.415 #470]

Ohabolana 5Androngo mangataka, ka ny mody no ady. [2.558 #242]
Androngo nangataka ka ny mody no adiny. [1.1 #23]
Androngo nangataka : ny mody no adiny. [2.415 #703, 2.653 #224]
Dikanteny frantsayLézard qui est allé chasser : le difficile c' est de rentrer chez lui. [2.415 #703]
Fanazavana frantsaySe disait des concussionnaires, mais aussi du sens propre, de ceux qui revenaient après une chasse. [2.415 #703]

Ohabolana 6Antandrona mody : tsy mijijy tambana. [1.147 #A80]

Ohabolana 7Avy manary tsy mitondra mody. [1.147 #A115]

Ohabolana 8Aza be filaza, ka kely fitondra mody. [2.165 #826]
Aza dia be filaza fa kely fitondra mody. [2.558 #435]
Tsy mety raha be filaza, fa kely fitondra mody. [2.558 #4586]
Tsy mety raha be filaza, ka kely fitondra mody. [2.415 #4841, 2.653 #3406]
Tsy mety raha kely fitondra mody, nefa tera-bao filaza. [2.558 #297]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas de parler beaucoup et de rapporter peu à la maison. [2.415 #4841]
Ne faites pas de grandes promesses pour ne rapporter ensuite que peu de chose à la maison. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des bavards paresseux. [2.415 #4841]

Ohabolana 9Aza manao halatra ondrin' Imahakà : raha misy mahita, hizahako ny havesany, nony tsy misy mahita dia lasany tokoa. [2.558]
Aza manao halatr' ondrin' Imahakà: ka mody mizaha ny havesany. [2.165]
Aza manao halatr’ ondrin’ Imahakà : mody manao hoe: "Hizahako izay havesany". [2.653]
Halatra ondrin' Imahakà : raha tsy misy mahita dia lasana, fa raha tran' ny olona dia hitsapako ny havesany. [2.558 #1253]
Halatr’ ondrin’ Imahaka : raha hitan’ olona dia hoe : Mba hizahako ny havesany ; fa nony tsy misy mahita, dia ngoahana. [2.653 #1014]
Dikanteny frantsayNe volez pas des moutons à la façon d' Imahakà, lequel (en soulevant un mouton pour l' emporter) prétendait seulement le soupeser. [2.165]
Fanazavana frantsayImahakà est, avec son compère Ikotofetsy, un fripon fameux des contes malgaches. [2.165]

Ohabolana 10Aza manao mpamosavy loholona mody adala. [2.415 #4911]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le sorcier, chef du village, qui fait semblant de ne pas connaître, lorsqu' il est interrogé sur les sorciers. [2.415 #4911]

Ohabolana 11Aza manao Vazaha mody miady. [2.165 #1395, 2.653 #545]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme des Européens faisant semblant de se battre. [2.165]
Fanazavana frantsayCar, au fond, ils s' entendent. [2.165]

Ohabolana 12Aza mandatsa vady mody. [2.415 #1361, 2.558 #655, 2.653 #563]
Dikanteny frantsayN' injuriez pas une épouse qui veut revenir au foyer. [2.415 #1361]
Fanazavana frantsaySens général : ne refusez pas ce qui ne peut vous faire que du bien. [2.415]

Ohabolana 13Aza matory manana adidy sao latsain' ny masoandro mody. [2.558 #711]

Ohabolana 14Aza mody maty toa voamitohy. [2.165]
Mody maty, toa voamitohy. [2.653 #1942]
Mody maty toa voamitohy, fa rehefa mihetsika antara-biby. [2.558 #2548]
Dikanteny frantsayNe faites pas le mort comme le "voamitohy" (coléoptère qui fait le mort quand on le touche). [2.165]

Ohabolana 15Aza mody torana hihinana ny kitozan' ny marary. [2.165 #540, 2.415 #4671, 2.653]
Mody lesoka, hihinana ny kitozan’ ny rnarary. [2.653 #1940]
Dikanteny frantsayNe faites pas semblant de tomber évanoui pour pouvoir manger le "kitoza" des malades. [2.165]
Ne faites pas semblant de vous trouver mal pour manger la viande boucanée réservée aux malades. [2.415 #4671]
Fanazavana frantsaySe disait des gourmands, et aussi de ceux qui s' emparaient par ruse des biens des autres. [2.415 #4671]

Ohabolana 16Bangon’ ny atao Baondriana, ka tsy mitondra kitay mody. [2.653 #736]

Ohabolana 17Eson-drafy ka mody tsy lazaiko, nefa fantatro ihany. [2.558 #1044]

Ohabolana 18Fanambadian-dRainimanafika, ka ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.558 #1080]
Fanambadian-dRainimanafika : ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.415 #1368, 2.653]
Dikanteny frantsayFaire comme dans le mariage de Rainimanafika : il vaut mieux laisser la femme revenir d'elle-même. [2.415 #1368]
Fanazavana frantsayCe proverbe fait allusion à une légende ; on le disait à l' homme que son épouse avait abandonné pour retourner chez ses parents ; paroles de consolation, encouragement à ne faire aucune démarche humiliante auprès de la fugitive. [2.415 #1368]

Ohabolana 19Fanambadian' ny Manontalahy, ka ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.415 #1370, 2.165]
Dikanteny frantsayLe mariage chez les Manontalahy, les femmes divorcées retournent chez leurs maris de leur propre mouvement et ça va bien. [2.165]
Le mariage chez les Manontalahy : les femmes divorcées reviennent chez leurs maris et tout va bien. [2.415 #1370]

Ohabolana 20Fotsimbary anatin' ny vilany : tapany ka mody erany. [2.415 #5602]
Dikanteny frantsayRiz blanc dans une marmite : il ne la remplit d' abord qu' à moitié, mais il a bientôt fait de la remplir tout entière. [2.415 #5602]
Fanazavana frantsayDans la marmite le riz gonfle et monte ; se disait de la colère. [2.415 #5602]

Ohabolana 21Haza sokin-dRainilesoka ka ny efa azo ihany no mody alefalefa. [2.558 #1292]

Ohabolana 22Heloka ibabohana mody rariny. [1.1]
Ny heloka ibabohana mody hitsiny; fa ny rariny itompoana mody heloka. [2.653]
Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka. [1.1]
Ny heloka ibabohana tonga hitsiny; fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.653]
Ny heloka ivalozana mody hitsiny, fa ny rariny itompoana mody heloka. [2.415 #6422, 2.653]
Ny heloka ivalozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.415 #6422, 2.974 #451, 2.653]
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.165 #1103]
Fanazavana malagasyIzay miaiky ny hadisoany dia lefahin' ny olona ny helony, fa izay miziriziry kosa vao mainka omen' ny olona tsiny. [1.1]
Matetika ny fiekena fa diso, izany hoe ny fifonana, dia mahatonga ho afa-keloka. [1.1]
Ny fiekena ny heloka vita dia mendri-pamelana, fa ny tsy fandeferana kosa – na dia manana ny rariny aza ny tena, ka efa miaiky ny hadisoany ny an-kilany – dia tsy fitiavana fihavanana, ka mahatonga ny tena ho melohin' ny olona. [1.1]
Dikanteny frantsayLe crime dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient le pire des crimes. [2.974]
Une faute dont on se repend, devient une source d' équité ; un droit sur lequel on s' obstine trop, devient une source d' injustice. [2.415 #6422]
Une faute dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient une grande faute. [2.165 #1103]

Ohabolana 23Hividy ondry hanahirana, nefa ny akoho mody ho azy. [2.558 #1352, 2.653 #1081]

Ohabolana 24Ibado adala, asai-mitampody vao mody mandry. [2.558 #1390]
Ibado adala: asaina mitampody izy vao mody mandry. [2.165]
Dikanteny frantsayIbado le stupide: on lui dit d' aller (quelque part) et de revenir le même jour, et il passe la nuit là-bas. [2.165]

Ohabolana 25Ikala fohy mizaha lanonana; efa mody vao hitan' ny olona. [1.1]
Ikala fohy mizaha lanonana, ka efa mody vao hitan' ny olona. [2.165 #1366]
Ikala fohy nizaha lanonana, efa mody vao hitan' ny olona. [2.415 #1567, 2.653 #1108]
Ikala fohy nizaha lanonana : mody vao hitan' ny olona. [2.558 #1392]
Ikala kely nizaha lanonana, efa mody vao hitan' ny olona. [2.415 #1567]
Fanazavana malagasy(satria noho izy fohy dia very tany anatin' ny olona tany): enti-milaza zavatra na olona tsy tonga tamin' ny fotoana nilana azy. [1.1]
Dikanteny frantsayPetite fille qui est allée regarder les réjouissances publiques : on la voit quand elle part pour rentrer chez elle. [2.415 #1567]
Une petite fille assistant à une réjouissance publique; ce n' est que quand elle s' en retourne chez elle qu' on s' aperçoit qu' elle était là. [2.165]
Fanazavana frantsayAuparavant elle était perdue dans la foule. [2.165]
Se disait des gens auxquels on pense trop tard. [2.415 #1567]

Ohabolana 26Ilay nanao soa vahiny, ka raha voky izy, dia nilaozany. [2.653 #1122, 2.974 #307]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia lasa. [2.558]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia nandao. [2.558]
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany. [1.1]
Toy ny manao soa vahiny, ka raha voky izy, dia ilaozany mody. [2.165 #577]
Toy ny manao soa vahiny : nony voky izy nanao veloma. [2.558 #4301]
Toy ny manao soa vahiny: raha voky izy, ilaozany mody. [2.653 #3210]
Fanazavana malagasyAza miantehitra na miandry valiny amin' izay olona mandala. [1.1]
Dikanteny frantsayFaire du bien à un hôte de passage : à peine restauré, le voilà qui vous quitte. [2.974 #307]
On fait du bien à un étranger, et quand il est rassasié, il s' en va. [2.165]
Fanazavana frantsayMot souvent cité en manière d' excuse par ceux auxquels il s' applique. [2.165]

Ohabolana 27Ilay nihaino kalokalo : tsetsetra no nentina nody. [2.558 #1414]
Ilay nihaino kalo, ka tsetsetra no enti-mody. [2.165]
Dikanteny frantsayCelui qui avait écouté une complainte: c' est avec des pensées tristes qu' il retourne chez lui. [2.165]
Fanazavana frantsayCes pensées tristes viennent de son fait, il n' avait qu' à ne pas écouter! [2.165]

Ohabolana 28Lany andro am-piresahana, ka tsy mitondra mody. [2.165 #734, 2.415 #3923, 2.558 #1729]
Dikanteny frantsayIl passe le temps à causer, et il rentre à la maison les mains vides au lieu de rapporter sa provision de combustible. [2.415 #3923]
Passer son temps à causer et ne rien rapporter chez soi. [2.165]
Fanazavana frantsayIl s' agit de quelqu' un qui est sorti, comme c' est l' habitude, pour chercher un peu de combustible pour cuire le repas du soir; ayant lié conversation avec quelqu' un, il la continue si longtemps, qu' ensuite il est trop tard pour se procurer ce dont il avait besoin. [2.165]

Ohabolana 29Loza enti-mody ny marina tsy ambara havana. [2.558 #1813]
Loza enti-mody ny rariny tsy ambara havana. [2.415 #1090, 2.653]
Dikanteny frantsayLa vérité qu' on ne communique pas aux parents, c' est un malheur qu' on rapporte chez soi. [2.415 #1090]
Fanazavana frantsayIl faut tout traiter en famille. [2.415 #1090]

Ohabolana 30Malahelo mizaha lanonana, ka mitondra ranomaso mody. [2.165 #1455]
Dikanteny frantsayUn pauvre étant allé voir une réjouissante publique: il n' en rapporte que des larmes. [2.165]
Fanazavana frantsayD' avoir vu les autres joyeux et contents le fait pleurer sur sa pauvreté à lui. [2.165]

Ohabolana 31Manaraka andro mody. [2.415 #1835]
Dikanteny frantsayLes vieillards suivent la chaleur du soleil qui décline, pour se réchauffer. [2.415 #1835]

Ohabolana 32Mandry akaiky, toa tsy tia vady; mody hariva, toa ratsy havana. [2.165 #1788]
Dikanteny frantsaySi vous passez la nuit près de chez vous (en revenant de voyage), vous semblez ne pas aimer votre femme; et si vous parvenez à rentrer chez vous tard, il semble que c' est parce que vous avez de mauvais parents (qui n' on pas voulu vous loger). [2.165]

Ohabolana 33Manenji-dambo alina : manasa anazy mody. [1.147 #M39]
Manenji-dambo hariva ka maniraka azy hody. [2.558 #2097]
Manenji-dambo hariva: maniraka azy hody. [2.415 #3031, 2.653 #1609, 2.165]
Dikanteny frantsayPoursuivre le soir un sanglier, c' est le renvoyer chez lui. [2.415 #3031]
Poursuivre un sanglier le soir ne sert qu' à le faire rentrer dans son repaire (litt. le renvoyer chez lui). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des fainéants et des mauvais sujets. [2.415 #3031]

Ohabolana 34Maso mahita tsy mitondra mody. [1.147 #M86, 2.653]

Ohabolana 35Mitafa amy ny mpanana, ka raha mody dia foto-kahoriana. [2.653 #1849]
Mitafa amin' ny mpanana, ka raha mody dia foto-kahoriana. [2.415 #2538]
Mitafa amin' ny mpanana ka raha mody vontom-pahoriana. [2.558 #2428]
Dikanteny frantsayPauvre qui perd son temps à bavarder avec les riches : quand il rentre chez lui, le malheur l' attend pour l' accabler. [2.415 #2538]

Ohabolana 36Mitaitay ho any Ilafy, ka mody alina. [2.415 #3041]
Dikanteny frantsayÊtre pressé d' aller à Ilafy et n' être pas pressé de rentrer. [2.415 #3041]
Fanazavana frantsaySe disait des rendez-vous des libertins. [2.415 #3041]

Ohabolana 37Mody adala, ohatra ny jiolahy homana anana. [2.653]
Mody adala ohatra ny jiolahy homan' anana. [2.558]

Ohabolana 38Mody amy ny laoniny, ohatra ny andevolahy verin-trosa. [2.653]
Mody amin' ny laoniny hoatry ny andevolahy verin-trosa. [2.415]
Mody amin' ny laoniny ohatra ny ankizilahy verin-trosa. [2.558]
Dikanteny frantsayQui est dans l' ordre et selon la justice comme un homme devenu esclave pour dettes. [2.415 #577]
Fanazavana frantsayOn pouvait perdre sa liberté quand on ne payait pas ses dettes ; ce proverbe se disait toutes les fois qu' une affaire était remise en ordre. [2.415 #577]

Ohabolana 39Mody an-tanindrazana, toy ny andevolahy lany harena. [2.415 #578, 2.653 #1936]
Dikanteny frantsayRevenir dans le domaine de ses ancêtres comme un esclave qui a fait faillite. [2.415 #578]
Fanazavana frantsayIl sera obligé de demeurer esclave ; le proverbe se disait de ceux qui retombaient dans leur malheureux état antérieur. [2.415 #578]

Ohabolana 40Mody an-trano ohatra ny voro-damba nenti-nisodika. [2.558]
Mody an-trano, toy ny voro-damba nenti-nisodika. [2.653 #1937]

Ohabolana 41Mody bado ivelany toy ny jirika. [2.558 #2545]
Mody bado, tahaka ny jiolahy. [2.653 #1938]

Ohabolana 42Mody fetsy marary, toy ny Tanelo vaky siny. [2.653 #1939]

Ohabolana 43Mody lesoka hihinanana ny kitozan' ny marary. [2.558 #2546]

Ohabolana 44Mody mandefitra (tsara imaso) kanjo handrobo. [2.558 #2547]

Ohabolana 45Mody mandetitra, toy ny jiolahy manao ravin-toto. [2.653 #1941]

Ohabolana 46Mody mandry. [2.415 #2887]
Dikanteny frantsayMourir, c' est retourner dormir. [2.415 #2887]

Ohabolana 47Mody ny manina fa ny to-fo lasa-davitra. [2.558]

Ohabolana 48Mody ratsy ohatra ny mofon' Ikotohova. [2.558]

Ohabolana 49Mody tsy sahy, kanefa mitady mizana mahiratra. [2.165 #1183]
Mody tsy sahy, kanjo mitady mizana mahiratra. [2.653 #1943]
Mody tsy sahy kinanjo mitady mizana mahiratra. [2.558 #2551]
Dikanteny frantsayFaire semblant de ne pas vouloir (faire marché), et cependant chercher une balance juste. [2.165]

Ohabolana 50Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron' ny marary. [2.165 #430]
Mody tsy sompatra, kanjo mangalatra ny akondron’ ny marary. [2.653 #1944]
Mody tsy sompatra nefa mangalatra ny akondron' ny marary. [2.558 #2552]
Dikanteny frantsayFaire semblant de ne pas être méchant et pourtant voler les bananes d' un malade. [2.165]

Ohabolana 51Mody tsy taitra nefa ny mason' ny mpilefa mba fantatra ihany. [2.558 #2553]

Ohabolana 52Mody tsy tia, koa lefaka. [2.165 #191]
Dikanteny frantsayParaître ne pas aimer, et être passionné. [2.165]

Ohabolana 53Mpantsaka vaky siny: ny siny vaky leoko ihany, fa ity hitondra voro-damba lena mody no tsy toha. [2.653]
Mpantsaka vaky siny : ny siny vaky leoko ihany, fa ny mitondra voro-damba lena no tsy tanty. [2.558]

Ohabolana 54Mpihaingo maloto trano : mody vao manana ny simba. [2.558 #2619]
Mpihaingo maloto trano : mody vao simba. [2.415 #2447, 2.653 #1982]
Dikanteny frantsayÉlégant, dont la maison est sale : en rentrant chez lui, il salit ses vêtements. [2.415 #2447]

Ohabolana 55Ny akoho novonoina no mody latsa, ary ny atao no manebaka. [2.558 #2842]
Ny akoho novonoina no mody latsa, ary ny atao no tonga adidy. [2.165 #145, 2.415 #6481]
Dikanteny frantsayLa poule tuée devient un sujet de blâme, et ce qu' on a fait est blâmé. [2.415 #6481]
Le poulet tué devient un sujet de reproches, et ce qu' on a fait est blâmé. [2.165]

Ohabolana 56Ny anankiray tambatambazan-kambakaina, fa ny iray hodian-tsy hita nefa lalaina. [2.558 #2866]
Ny anankiray tambatambazan-ko ambakaina; ary ny anankiray hodian-tsy tiana, nefa lalaina. [2.653 #2150]
Ny iray tambatambazan-kambakaina, ny iray mody tsy tian-kolalaina. [2.165 #504, 2.415 #4935]
Dikanteny frantsayOn cajole l' un pour pouvoir mieux le tromper, et l' on fait semblant de ne pas aimer l' autre pour provoquer une affection plus grande. [2.165 #504]
On caresse l' un pour mieux le tromper, et l' autre fait semblant de ne pas être aimé pour l' être davantage. [2.415 #4935]

Ohabolana 57Ny anatra, vahiny : tiana, mody mandry ; tsy tiana, mitampody. [2.165 #1588, 2.415 #6521, 2.653 #2157]
Dikanteny frantsayLes conseils sont comme des hôtes : quand ils se voient bien accueillis, ils couchent ; sinon ils s' en retournent. [2.415 #6521]
Les conseils sont comme des voyageurs (ou des étrangers): si on les accepte, ils logent chez vous; si on ne les aimes pas, il s' en vont chez eux. [2.165]
Fanazavana frantsayOn n' est pas obligé de suivre les conseils et les avis. [2.415 #6521]
On peut les accepter ou les rejeter. [2.165]

Ohabolana 58Ny andraso andraso manariva ny mody. [1.1]
Ny takariva no mahatonga ny alina; ny sangy mahery no mahatonga ny ady ; ny "andraso kely" no mahariva ny andro; ny hadino no mahavery ny entana. [2.415 #6244, 2.653 #2422]
Ny takariva no mahatonga ny alina, ny sangy no miteraka ny ady, ny andraso kely no mahariva ny andro ary ny hadinodino no mahavery ny entana. [2.558]
Fanazavana malagasyNy hataka andro lava, ny fampiandrasana ary ny fiolakolahana dia mahatonga ho tratra hariva nony hody (tokony hotsorina izay fanapahankevitra raisina). [1.1]
Dikanteny frantsayLe crépuscule amène la nuit ; la plaisanterie trop forte engendre les disputes; le attendez un peu, retarde jusqu' au soir; l' oubli fait perdre les paquets. [2.415 #6244]
Le soir appelle la nuit ; les familiarités excessives engendrent les querelles ; les fréquents délais épuisent la journée ; les oublis causent la perte des bagages. [2.974 #274]
Fanazavana frantsayUne petite cause a de grands effets. [2.415 #6244]

Ohabolana 59Ny dom-pamaky no mody navela, fa ny vely loha no kanto. [2.558 #2934]
Ny dom-pamaky no mody navela, kanjo ny vely loha no kanto ; olona hariana ka mody atao hoe : " mitomoera atsy ivohon' ny vato " . [2.415 #819, 2.165]
Dikanteny frantsayCesser de frapper avec la hache, mais frapper d' autant plus fort sur la téter avoir l' intention de chasser (ou renier) quelqu' un et lui dire pourtant: "Restez donc ici chez votre protecteur" . [2.165]
On a cessé de frapper avec la hache mais on frappe plus fort sur la tête ; on veut chasser quelqu'un et on lui dit : demeurez ici à côté de votre protecteur. [2.415 #819]

Ohabolana 60Ny fitia no tsy ananana ka ny mody no mankalaina. [2.558 #2999]

Ohabolana 61Ny fitia tsy fanao mody voky, na mody iavonana toa varin' amboa mahamay. [2.558 #3003]

Ohabolana 62Ny handry mody voky, fa ny adala homana ihany. [2.165]
Dikanteny frantsayLes intelligents font semblant d' avoir assez, mais les nigauds continuent à manger. [2.165]

Ohabolana 63Ny hazo no lavo, ny zaram-pamaky no mody an-daniny. [2.415 #1117, 2.653 #2259]
Dikanteny frantsaySi l' arbre est abattu c' est que le manche de la cognée a pris parti contre lui. [2.415 #1117]
Fanazavana frantsaySe disait des parents qui prenaient parti contre leurs parents ; et de ceux qui faisaient pénétrer les ennemis ou les voleurs dans le village. [2.415 #1117]

Ohabolana 64Ny manam-panahy mody voky, fa ny adala homana ny anjaran’ ny sasany. [2.653]
Ny manam-panahy mody voky, fa ny adala mandrapaka ihany. [2.974 #386, 2.653]
Dikanteny frantsayL’homme sensé sait s’arrêter à temps ; l’insensé engouffre sans retenue. [2.974 #386]

Ohabolana 65Ny mody mandry sy ny mitampody : ny mody mandry misimisy kokoa. [2.558 #3153, 2.653 #2352, 2.165]
Dikanteny frantsayDe coucher en route ou de revenir le même jour, il vaut mieux coucher en route. [2.165]
Fanazavana frantsayCela montre qu' on n' est pas trop pressé de rentrer, et le voyage entrepris aura peut-être plus de résultats. [2.165]

Ohabolana 66Ny voky tsy manan-tsisa isan’ ny noana; ny mody tsy manao veloma naman’ ny tezitra. [2.653 #2489]

Ohabolana 67Njola mangala-katsaka, ka mitifitra ny main-dambana halaina. [2.558 #2802]
Njola mangala-katsaka : mody tsy mijery, kanjo mitily ny main-dambana. [2.165 #2051, 2.415 #4311]
Njola maso nangala-katsaka. [2.415 #5711]
Dikanteny frantsayLouche qui vole du maïs. [2.415 #5711]
Un homme qui louche volant du maïs : il fait semblant de ne pas regarder, et cependant il cherche les épis bien mûrs. [2.415 #4311]
Un loucheur volant du mais: il paraît ne pas regarder, et pourtant il cherche les épis bien mûrs. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait que le louche qui vole du maïs regarde de côté, car il a toujours peur d'être surpris. C' était une croyance supertilieuse que les louches étaient voleurs de maïs. [2.415 #5711]

Ohabolana 68Olon-kariana ka mody atao hoe : mitoera atsy ivohon' ny vato. [2.558 #3398]

Ohabolana 69Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany. [2.165 #489, 2.415 #1532, 2.653]
Dikanteny frantsayDifficile à contenter : si on lui offre de la nourriture, il refuse sous prétexte qu' il est rassasié, et puis il va voler des mets pour les manger en cachette. [2.415 #1532]
Faire semblant d' être rassasié quand on vous offre à manger, et pourtant dérober de la nourriture ensuite. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des enfants, des subordonnés, des esclaves volontaires et difficiles. [2.415 #1532]

Ohabolana 70Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina mitsimpon-tsindretra. [2.558 #3500]
Rafotsibe lavo an-tambiazina: lavo, manao an-tora-body; miarina, mitsimpon-tsindretra; mody, manao endy kely. [2.415 #1893, 2.558 #3499, 2.653 #2602]
Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra. [1.1]
Rafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [2.653 #2603]
Tahaka an-dRafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [2.415 #1934]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona azon' ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme la vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : quand elle se relève, au lieu de penser à sa chute elle ramasse des larves de libellules. [2.415 #1934]
Vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : une fois tombée elle s' assied ; quand elle se relève, elle attrape des larves de libellules, et de retour chez elle les fait griller pour les manger. [2.415 #1893]
Fanazavana frantsayCe proverbe se moquait des vieilles à courte vue, aux idées étroites. [2.415 #1893]
Se disait des petites idées et courtes vues. [2.415 #1934]

Ohabolana 71Raha fanambadiana tsy ho raikitra, aoka hody hamelon-jaza. [2.415 #1399]
Raha fanambadiana tsy ho vanona, andeha mody hamelon-jaza. [2.415 #1399]
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza. [2.165 #1835]
Raha fanambadian-tsy ho vanona, andeha mody hamelon-jaza. [2.558 #3563, 2.653 #2646]
Dikanteny frantsaySi notre mariage ne doit pas être plus stable et si notre ménage ne doit pas mieux marcher, allons-nous en à la maison de nos parents élever nos enfants. [2.415 #1399]
Si votre second mariage ne va pas, il vaut mieux retourner chez vous élever le ou les enfants (de votre premier mariage). [2.165]
Fanazavana frantsayParoles de la femme qui voulait échapper à la tyrannie d' un mari exigeant, et retourner chez ses parents ; sens plus général : occupons-nous d' une affaire plus utile. [2.415 #1399]

Ohabolana 72Raha tsy hety ny atao, ny tain’ akoho aza maha-tafintohina, ny patsa iray tsy omby vava ; ary raha hety kosa ny atao, ny saobakaka aza mampidi-dranon-ketsa, ny hazo tandrano mody andevolahy. [2.415 #2239, 2.653 #2719]
Raha tsy mety ny atao, tain' akoho aza manatintohina, ny patsa iray tsy omby vava, ary raha mety kosa ny atao, ny saobakaka aza mampidin-dranon-ketsa. [2.558]
Dikanteny frantsaySi l' entreprise ne doit pas réussir, une fiente de poule suffit pour faire trébucher et une chevrette est trop grosse pour la bouche ; si au contraire, elle doit réussir il suffit d' un crapaud pour arroser les pépinières de riz et une souche d' arbre retirée des rizières se change en esclave. [2.415 #2239]
Fanazavana frantsayUn rien suffit lorsque la destinée est de réussir. [2.415 #2239]

Ohabolana 73Rano antsakaina mody ventiny. [2.415 #938, 2.653 #2754, 2.165]
Rano antsakaina mody ventiny, fa tonga ny fanambinana. [2.558 #3705]
Dikanteny frantsayDe l' eau puisée devient quelque chose de substantiel, pour ceux qui savent en tirer parti. [2.165]
Eau puisée, devient un bien solide. [2.415 #938]
Fanazavana frantsayAllusion à la mère qui en buvant superstitieusement de l'eau, a obtenu l' enfant quelle désirait ; se disait des faveurs obtenues, des bonnes aubaines. [2.415 #938]

Ohabolana 74Rembin’ akoho, tsy mitondra mody. [1.147 #R46]

Ohabolana 75Ro very tsy mody aby. [1.147 #R49]

Ohabolana 76Sakalava very omby: ny any ny tena hita no entina. [2.653 #2832]
Sakalava very omby, ny an' ny tena hita no enti-mody. [2.558 #3801]

Ohabolana 77Savosavoka mahalala mody. [1.147 #S31]

Ohabolana 78Takatra mody hariva ka samy may amin' ny mahamay azy. [2.558 #4004]

Ohabolana 79Takatra nahazo nofon-kena, ka ny rahalahy ihany no mody fahavalo. [2.415 #5410, 2.558 #4005, 2.653]
Dikanteny frantsayOiseau takatra qui tient un morceau de viande : c' est un frère qui devient un ennemi. [2.415 #5410]
Fanazavana frantsaySe disait de deux parents ou amis qui se brouillent pour une question d' intérêt. [2.415 #5410]

Ohabolana 80Toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra. [2.415 #1719]
Toy ny tongo-bakivaky : sady manaintaina no mahamenatra, alana ny loto vao mitondra fasika mody. [2.558 #4328]
Toy ny tongotra vakivaky: sady maharary no mahamenatra. [2.165 #2074]
Tongo-bakivaky, ka sady maharary no mahamenatra. [2.558]
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra. [2.415 #5311, 2.653 #3135, 1.1]
Fanazavana malagasyIlazana toetra ratsy izay sady ahitam-pahavoazana ho an' ny ankohonana no mahafa-baraka amin' ny any ivelany. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme les pieds gercés, cela fait mal et cela fait honte. [2.415 #1719]
Comme des pieds tout crevassés, c' est douloureux et honteux en même temps. [2.165]
Les pieds qui se fendillent ne font pas seulement mal, mais encore il donne de la honte. [2.415 #5311]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui donne de l' inquiétude et de la honte, par exemple une affaire entreprise et qui n' est pas achevée. [2.415 #5311]
Se disait des malheurs qui étaient occasion de honte. [2.415 #1719]

Ohabolana 81Tolon' ombiny Manendy: masoandro no fetra. [2.653 #3114]
Tolon' ombin' ny Manendy, ka ny masoandro mody no fetrany. [2.558 #270]
Tolon' ombin' ny Manendy : masoandro no fetra. [2.415 #3521]
Dikanteny frantsayCourses de boeufs des Manendy : cela dure toute la journée tellement ils s' y passionnent. [2.415]

Ohabolana 82Tsy mahamendrika, hoatry ny saron-doha hariva, ka ny mody no soa. [2.415 #173]
Tsy mahamendrika ohatra ny saron-doha hariva, ka ny mody no soa. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayC' est une chose inconvenante, comme le fait de se couvrir la tête le soir : le mieux c' est de rentrer chez soi. [2.415 #173]
Fanazavana frantsayIl faut laisser aux sorciers cette habitude de sortir la nuit et de se couvrir la tête. [2.415 #173]

Ohabolana 83Tsy mety raha miala maina ohatra ny nandevim-boka. [2.558]
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevim-boka. [2.653, 2.165]
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevin-amboa. [2.165]
Tsy mety raha mody maina toy ny avy nandevina amboa. [2.558 #4654]
Tsy mety raha mody maina, toy ny mandevina amboa. [2.653 #3471]
Dikanteny frantsayIl n' est pas convenable de s' en aller les mains vides comme lorsqu' on a enterré un lépreux (ou: un chien). [2.165]
Fanazavana frantsayAux ensevelissements de gens qui se respectaient, il y avait toujours une distribution d' argent (le "ala fady") et de viande de bœuf. [2.165]

Ohabolana 84Tsy mety rahany haviany no mody havanany. [2.415 #868, 2.558 #4658, 2.653 #3473]
Tsy mety raha ny havia no mody havanana. [2.165 #1486]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas que la gauche devienne la droite. [2.415 #868]
Il ne faut pas que la gauche prétende être la droite. [2.165]
Fanazavana frantsayQue chacun reste à sa place. [2.415 #868]

Ohabolana 85Valalana natono : izay tsy maty ka mody. [1.147 #V9]

Ohabolana 86Varangaran-tsihy : miainga atsy, mody, miainga ary, mody. [1.147 #V25]

Ohabolana 87Voay mahita antsantsa : manano mody maty. [1.147 #V76]

Ohabolana 88Zaza mifo-delo ka mody an-toerana amin' ny tompony. [2.415 #2759]
Dikanteny frantsayEnfant qui renifle : la morve revient à son maître. [2.415 #2759]
Fanazavana frantsayNous sommes responsables de nos actions et nous avons à en subir les conséquences. [2.415 #2759]

Fizahan-teny