Fizahan-teny

Ohabolana : mpitrosa

Ohabolana 1Andrasan' amboa ohatra ny varavaran' ny mpitrosa. [2.558 #216]
Andrasan' amboa varavaranany mpitrosa. [2.653 #200, 2.974 #356]
Ny trosa no iandrasan' amboa varavarana. [2.558 #3331]
Dikanteny frantsayDes chiens veillent à la porte des débiteurs. [2.415 #4425]
La porte du débiteur est toujours gardée par un chien féroce. [2.974 #356]
Fanazavana frantsayC'est le jour qu'il faut frapper à la porte des débiteurs, car la nuit les chiens montent la garde. [2.415 #4425]

Ohabolana 2Fatiantoky ny mpitrosa ny afa-baraka, fa ny volan' olona tsy maintsy aloa. [2.558 #1131]
Fatiantoky ny mpitrosa ny afa-baraka, fa ny volan' olona tsy maintsy haloa. [2.415 #4429, 2.653 #941]
Dikanteny frantsayCelui qui s' endette en sera pour le déshonneur ; car l'argent emprunté, il faudra le payer. [2.415 #4429]

Ohabolana 3Harongam-pohatra ny momba; milevin' ila fa tsy lo ny miteraka, andrasan' amboa varavarana ny amboalambo, ary mandry be tsy matory ny mpitrosa. [2.558]
Harongam-pohatra ny momba; milevin' ila tsy lo ny miteraka. [2.415 #912]
Harongam-pohatra ny momba ; milevin' ila tsy lo ny miteraka ; andrasan' amboa varavaranany amboalambo ; mandry be tsy matory ny mpitrosa. [2.653 #1037]
Dikanteny frantsayLa femme stérile est comme un arbre haronga arraché ; la femme qui a enfanté peut avoir sa moitié enfouie sans être pourrie. [2.415 #912]
Fanazavana frantsayCe proverbe dit la tristesse de la stérilité et le bonheur de la maternité ; il fait allusion au placenta que le père va enfouir au sud de la maison, après la naissance de l' enfant. [2.415 #912]

Ohabolana 4Manao ohatra ny mpitrosa mahay: anio tsy mamoa-javatra, ampitso mifehy trano, afak’ ampitso lasa-davitra. [2.653, 2.558]

Ohabolana 5Mandry be eritreritra sahala amin' ny mpitrosa. [2.558]
Mandry tsy matory ny mpitrosa. [2.653 #1604]
Mandry tsy matory sahala amin' ny mpitrosa. [2.558]

Ohabolana 6Mpitrosa tsy manary harena : ny vava no enti-manilika. [2.558 #2631, 2.653]

Ohabolana 7Nahoana no mpiantoka very alohan' ny mpitrosa ? [2.558]

Ohabolana 8Tombom-barotry ny mpitrosa ny afa-baraka fa ny volan' olona tsy maintsy ho azo. [2.558 #4173]

Fizahan-teny