Fizahan-teny

Ohabolana : noana

Ohabolana Andevolahy feno kibo, minia tsy handositra ; fa andevolahy noana, mitomany hamidy. [Veyrières 1913 #508]
Andevolahy feno kibo, minia tsy handositra; fa ny andevolahy noana, mitomany hamidy. [Houlder 1895]
Ankizilahy feno kibo ka minia tsy handositra, fa ny noana mitomany hamidy. [Rinara 1974 #273]
Dikanteny frantsay Esclave bien nourri ne pense pas à fuir ; esclave qui a faim supplie avec larmes qu' on le vende. [Veyrières 1913 #508]
Un esclave bien nourri ne pense pas à s’enfuir; mais un esclave affamé supplie qu’on le vende. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce dernier espère avoir un meilleur maître. [Veyrières 1913 #508]
Dans l'espoir d'avoir un maître qui le traite mieux. [Houlder 1895]

Ohabolana Andry ombin' Imalemifanahy : ny noana voasafosafo, ny voky voalambolambo. [Rinara 1974 #249]

Ohabolana Aza mandatsa vady voky. [Rinara 1974 #656]
Aza mandatsa vady voky, fa izay noana latsaka ilalana. [Rinara 1974]

Ohabolana Aza mangetaheta ambony lakana. [Rinara 1974 #681]
Aza mangetaheta ambony lakana, na noana manatrika ny sompitra. [Houlder 1895 #787]
Mangetaheta ambony lakana. [Samson 1965 #M60, Veyrières 1913 #2303]
Mangetaheta ambony lakana, mosarena ambody sompitra. [Rajemisa 1985]
Mangetaheta ambony lakana, noana ambody sompitra. [Rajemisa 1985]
Mangetaheta ambony lakana, noana manatrika ny sompitra. [Nicol 1935]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana, na misento manan-tiana. [Rinara 1974 #4634]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana, na noana manatrika ny sompitra. [Cousins 1871 #3454]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana sy noana amoron-tsompitra. [Veyrières 1913 #2335]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana sy noana manatrika ny sompitra. [Veyrières 1913 #2335]
Fanazavana malagasy Enti-milaza olona mitaraina tsy fisiana nefa eo afovoan' ny fananam-be, na koa olona tsy mahay manararaotra ny soa betsaka eo anoloany na efa ilomanosany. [Rajemisa 1985]
Entina milaza tsy fahafaham-po amin' izay misy sy hita eo akaiky. [Rajemisa 1985]
Mihafihafy eo ampovoan' izay rehetra ilaina. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Avoir soif en pirogue ; avoir faim devant un grenier = souffrir de la privation au milieu de l'abondance. [Nicol 1935 #5]
Il ne convient pas d'avoir soif quand on est dans la pirogue, ou faim quand on est devant le grenier à riz. [Veyrières 1913 #2335]
Il ne faut pas se laisser avoir soif quand on est en pirogue (donc avec de l' eau tout autour), ni avoir faim quand on est devant un grenier. [Houlder 1895 #787]
Se priver au milieu de l' abondance c' est comme si on avait soif dans une pirogue. [Veyrières 1913 #2303]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui ont, mais ne veulent pas dépenser. [Veyrières 1913 #2335]

Ohabolana Aza noana anatin' ny sompitra. [Veyrières 1913 #2284]
Dikanteny frantsay Ne souffrez pas de la faim dans le grenier mais profitez de l' abondance. [Veyrières 1913 #2284]

Ohabolana Fana-saonjon--dRangahy, ka ny miandry noana. [Veyrières 1913 #1811, Cousins 1871 #917]
Fana-saonjon' Ingahy ka ny miandry noana. [Rinara 1974 #1091]
Dikanteny frantsay Faire chauffer des tubercules de gouet à la manière des vieux : ceux qui attendent finissent par être las d' attendre. [Veyrières 1913 #1811]
Fanazavana frantsay Les vieux ne savent plus faire un bon feu ni l'entretenir ; ce proverbe se disait de la lenteur, des longues attentes. [Veyrières 1913 #1811]

Ohabolana Hianareo no maso mahita ny ditsika, ary kibo mahalala ny noana. [Cousins 1871 #1070]
Hianareo no maso mahita ny ditsoka sy kibo mahalala ny noana. [Rinara 1974]
Maso mahita ny ditsika ary kibo mahalala ny noana. [Nicol 1935 #345]
Dikanteny frantsay Œil qui discerne les grains de poussière, estomac qui discerne l’heure du repas. [Nicol 1935 #345]

Ohabolana Kibo noana tsy mangataka andro. [Rinara 1974 #111]

Ohabolana Mamba noana. [Veyrières 1913 #6761]
Dikanteny frantsay Caïman affamé. [Veyrières 1913 #6761]
Fanazavana frantsay Se disait des exacteurs. [Veyrières 1913 #6761]

Ohabolana Mamba noana ka tsy mahamasim-panidy. [Veyrières 1913 #718, Rinara 1974 #1948, Cousins 1871, Houlder 1895]
Mamba noana, ka tsy tam-panafody. [Veyrières 1913 #716, Cousins 1871]
Mamba noana, ka tsy tsy mifidy harapaka. [Cousins 1871]
Mamba noana ka tsy tsy tam-panafody. [Houlder 1895]
Mamba noana tsy mahamasim-panidy. [Rajemisa 1985]
Mamba noana tsy mba masim-panidy. [Veyrières 1913 #718]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny olon-doza tsy azo ivalozana ary tsy azo idifiana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Caïman affamé qu' aucun charme ou talisman ne peut arrêter. [Veyrières 1913 #716]
Le concussionnaire et l' exacteur sont comme le caïman affamé dont la gueule n' est pas fermée par l' amulette. [Veyrières 1913 #718]
Sur un caïman affamé un charme n' a pas d' effet. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay On appelait fanidy un charme qui était censé fermer la bouche du caïman. [Veyrières 1913 #718]
Se disait des exacteurs et des bandits. [Veyrières 1913 #716]

Ohabolana Mamba noana, mamba miandry. [Veyrières 1913 #717]
Dikanteny frantsay Caïman affamé toujours aux aguets, caïman qui attend une occasion. [Veyrières 1913 #717]

Ohabolana Manao soa vahiny : ka nony voky izy lasa, fa fony noana no miandriandry. [Rinara 1974 #2013]

Ohabolana Na dia noana aza, tsy miohatra ny lovia. [Cousins 1871]
Na dia noana aza tsy miohatra ny vilia ! [Rinara 1974]

Ohabolana Nahoana no misao-bady voky, ka mampaka-bady noana ? ny mosary ho an' olona, ka alain-ko an-tena. [Veyrières 1913 #1384, Cousins 1871 #2055]
Nahoana no misao-bady voky ka mampakatra ny noana: ny mosary ho an' olona ka alain-ko an-tena ? [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Pourquoi vous séparer d' une épouse déjà rassasiée et satisfaite, pour en épouser une nouvelle qui sera forcément affamée et pleine de désirs ? la famine est pour d' autres, et vous la prenez pour vous. [Veyrières 1913 #1384]
Fanazavana frantsay Maxime pour prêcher la fidélité conjugale. [Veyrières 1913 #1384]

Ohabolana Natao ihany ny sikidy an-tanana, fa raha noana natakalo mangahazo. [Veyrières 1913 #132, Cousins 1871, Rinara 1974]
Dikanteny frantsay On s' était bien promis de garder au bras ce que le devin avait commandé de porter, mais quand on a faim on le change pour du manioc. [Veyrières 1913 #132]
Fanazavana frantsay Nécessité n' a pas de loi. [Veyrières 1913 #132]

Ohabolana Ny manamorona ve tsy ho noana, raha ny anatiny aza mitofezaka. [Rinara 1974 #3100]

Ohabolana Raha noana hianao atakalonao hanina. [Veyrières 1913 #5473]
Dikanteny frantsay Si vous avez faim, vous m' échangerez pour ce qui se mange. [Veyrières 1913 #5473]
Fanazavana frantsay Paroles de femmes, pour reprocher à un homme son peu d'amour. [Veyrières 1913 #5473]

Ohabolana Toy ny mamba noana, ka tsy mifidy harapaka. [Veyrières 1913 #739]
Dikanteny frantsay Comme le caïman affamé qui ne choisit pas sa proie. [Veyrières 1913 #739]
Fanazavana frantsay Se disait de ceux qui ne reculent devant rien pour faire le mal. [Veyrières 1913 #739]

Ohabolana Toy ny momba : noana tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana. [Houlder 1895 #1855, Veyrières 1913 #946, Cousins 1871 #3213]
Toy ny momba : noana tsy misy hangatahana, voky tsy manan-komena. [Rinara 1974 #4304]
Dikanteny frantsay Infortune des femmes stériles : affamées, elles n' ont personne à qui demander la nourriture ; rassasiées, elles n' ont personne à qui en offrir. [Veyrières 1913 #946]
Semblable à la femme stérile: si elle a faim, elle n' a personne à qui demander; si elle a de trop (litt. si elle est rassasiée), elle n' a personne à qui donner. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Se disait des gens sans famille, sans appui. [Veyrières 1913 #946]

Ohabolana Toy ny valin' ny voky noana, valin' ny fiakarana fidinana. [Veyrières 1913 #2754]
Toy ny valin' ny voky noana, valin' ny fidinana fiakarana. [Veyrières 1913 #2754]
Valin' ny noana, voky ; valin’ ny fiakarana, fidinana. [Nicol 1935]
Valin' ny voky noana; valin' ny fiakarana fidinana. [Houlder 1895]
Valin’ ny voky, noana; valin’ ny fidinana, fiakarana. [Cousins 1871 #3604]
Dikanteny frantsay Après la faim, le rassasiement ; après la montée, la descente. [Nicol 1935 #39]
Après le rassasiement vient la faim, après la montée la descente : il en est ainsi des vicissitudes de la vie. [Veyrières 1913 #2754]
La contre-partie du rassasiement est la faim; la contre-partie d' une montée est une descente. [Houlder 1895]

Ohabolana Valin' ny noana ny voky. [Rinara 1974 #4847]

Fizahan-teny