Fizahan-teny

Ohabolana : ory

Ohabolana Andevolahy mandihy an-jezika: mahare ny fingodony, fa tsy mahita ny handitsiky ny masony. [Houlder 1895]
Ankizilahy mandihy an-jezika : faly nihaino ny fidobony fa narahim-parasisa vao ory. [Rinara 1974 #281]
Ankizilahy mandihy an-jezika : ny fidobony dia tsara, fa ny maso ditsoka tsy voahevitra. [Rinara 1974 #280]
Dikanteny frantsay Un esclave dansant sur un tas de cendres: il entend résonner ses pas, sans s’apercevoir que ses yeux s’emplissent de poussière. [Houlder 1895]

Ohabolana Aombe mahia tsy lelafiñi ty namañe. [Poirot & Santio: Vezo]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany. [Houlder 1895 #1481, Rajemisa 1985]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany, ary ny ory tsy havan' ny manana. [Rinara 1974 #3193]
Ny omby mahia tsy lelafin’ ny namany ; ny malahelo tsy mba havan’ ny manana. [Nicol 1935 #375, Cousins 1871]
Omby mahia tsy lelafin' ny namany : ny malahelo tsy mba naman' ny manana. [Veyrières 1913 #2551]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa andosiran' ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. [Rajemisa 1985]
Ny mahantra, ny madinika tsy mba mana-namana; ny lehibe, ny mpanan-karena ihany no hodidinin-tsakaiza maro. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay La vache maigre n’est pas léchée par ses congénères ; le malheureux n’a pas de parents. [Nicol 1935 #375]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres, les pauvres ne sont pas camarades des riches. [Veyrières 1913]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres. [Poirot & Santio: Vezo]
Les bœufs maigres ne sont pas léchés par les autres. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Les pauvres sont sans parents et sans amis. [Veyrières 1913 #2551]

Ohabolana Aza faly havana ory. [Veyrières 1913 #1057]
Dikanteny frantsay Ne vous réjouissez pas quand vos parents sont malheureux. [Veyrières 1913 #1057]

Ohabolana Basi-na ariary fito: tsy takatry ny ory, tsy tian' ny mpanana. [Rajemisa 1985]
Basin' ariary fito : sady tsy tian' ny mpanana no tsy takatry ny ory. [Rinara 1974 #850]
Basin' ariary fito: tsy tian' ny mpanana ary tsy takatry ny mahahelo. [Rajemisa 1985]
Basin’ ariary fito: tsy tian’ ny mpanana, tsy takatry ny malahelo. [Cousins 1871]
Salasala ohatra ny basin' ariary fito: tsy takatry ny malahelo, tsy tian' ny mpanana. [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Douteux comme un fusil de sept piastres:. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay les pauvres ne peuvent l' acheter, les riches ne l' aiment pas. [Houlder 1895]

Ohabolana Hianao no dobo solom-pitaratra, felan-tanan' ny ory sy totohondrin' ny osa, ary trano be fihantonan' ny amponga sy dadan' ny maro. [Rinara 1974]
Hianao no dobo solom-pitaratra, sy felatanan' ny ory, sy toto-hondrin' ny osa, tranobe fihantonan' ny amponga, dadan' ny maro. [Veyrières 1913 #812, Cousins 1871 #1061]
Dikanteny frantsay Vous êtes le réservoir d' eau qui tient lieu de miroir, vous êtes la main des malheureux et le poing des faibles, vous êtes la grande case où le tambour est suspendu, vous êtes le père de beaucoup. [Veyrières 1913 #812]
Fanazavana frantsay Ces paroles se disaient des protecteurs et des bienfaiteurs. [Veyrières 1913 #812]

Ohabolana Izay manana no Rangahy, fa ny ory Ikotokely. [Rinara 1974 #101]

Ohabolana Izay ory misalahy matesa, hoy ny andriana. [Veyrières 1913 #3202]
Dikanteny frantsay Malheur à ceux qui ne veulent pas entendre parler d' un partage égal, dit le souverain. [Veyrières 1913 #3202]
Fanazavana frantsay Se disait à ceux qui réclament des privilèges dans le partage. [Veyrières 1913 #3202]

Ohabolana Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mahery manetsa : ka sady voky ny ankizy no tsy ory ny lehibe. [Rinara 1974]
Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mateti-panetsa : manao ny hahavoky ny ankizy. [Veyrières 1913 #1283, Cousins 1871 #1363]
Dikanteny frantsay Homme qui remue bien la terre de ses rizières, femme qui transplante bien le riz : ils nourrissent bien leurs enfants. [Veyrières 1913 #1283]
Fanazavana frantsay Se disait des ménages laborieux. [Veyrières 1913 #1311]

Ohabolana Mahay mandefitra ka tsy ory olon-tiana. [Rinara 1974 #1869]

Ohabolana Malaina hatry ny fahazaza, ka ory mandraka antitra. [Rinara 1974 #1926]

Ohabolana Manontany ny ory. [Veyrières 1913 #2207]
Dikanteny frantsay Le riche qui n' a pas connu la misère, demande ce que c' est que la misère. [Veyrières 1913 #2207]
Fanazavana frantsay Se disait des gens très riches. [Veyrières 1913 #2207]

Ohabolana Miadana ory tahaka ny ankizilahy homan-kerotra. [Rinara 1974 #2230]
Miadana ory, toy ny andevolahy homan-kerotra. [Veyrières 1913 #567, Cousins 1871 #1705]
Dikanteny frantsay Se réjouir dans le malheur comme un esclave qui mange de la crème. [Veyrières 1913 #567]
Fanazavana frantsay Les malheureux eux-mêmes ont parfois de bonnes choses ; il ne faut pas se décourager dans le malheur. [Veyrières 1913 #567]

Ohabolana Mialikalika sahala amin' ny zanak' olon' ory. [Rinara 1974 #2247]

Ohabolana Ny ory lavidavitry ny betsaka kokoa ary na akaiky aza tsy hita loatra. [Rinara 1974 #3205]

Ohabolana Ny ory tsy havan' ny manana. [Houlder 1895 #1452, Veyrières 1913 #2648]
Dikanteny frantsay Les pauvres ne sont pas compagnons des riches. [Veyrières 1913 #2648]
Les pauvres ne sont pas les compagnons des riches. [Houlder 1895 #1452]

Ohabolana Ny ory tsy mba rangahy. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Ny mahantra tsy mba voahaja na ananana henamaso. [Rajemisa 1985]
Fanazavana frantsay Le pauvre n'est pas respecté. [Abinal 1888]

Ohabolana Ny tsy manam-bato hatoraka sy ny ory lava volombava, dia samy zandrin' olona sarotra itodihana sy zoky manjary faralahy. [Rinara 1974 #3342]

Ohabolana Nofon-kena mby an-tanan-tsaka. [Veyrières 1913 #726, Rajemisa 1985]
Nofon-kena mby an-tanan-tsaka, ka mby an-tanan' ny ory. [Veyrières 1913 #2330, Cousins 1871 #2112, Rinara 1974]
Nofon-kena omby an-tanan-tsaka, ka raha tsy didiana tsy azo. [Houlder 1895 #609, Veyrières 1913]
Tonon-kena lasan-tsaka : mby an-tanan’ ny ory. [Veyrières 1913 #2330, Cousins 1871 #3141, Rinara 1974]
Tonon-kena lasan-tsaka; omby an-tanan' ny ory. [Houlder 1895 #608]
Fanazavana malagasy Zavatra lasan' olon-dratsy ka tsy azo antenaina hiverina intsony. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay C'est comme le morceau de viande saisi par les griffes du chat. [Veyrières 1913 #726]
Morceau de viande dans les griffes d' un chat : à moins de couper on ne peut pas l' avoir. [Veyrières 1913 #2329]
Morceau de viande emporté par le chat : c' est tombé entre les mains d' un malheureux qui ne le lâchera pas. [Veyrières 1913 #2330]
Un morceau de viande entre les griffes d' un chat, à moins de couper on ne peut le ravoir. [Houlder 1895]
Un morceau de viande pris par un chat; il est entre les mains d' un malheureux. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Car personne ne donnerait de la viande à un chat. [Houlder 1895]
Il faut renoncer à ce qui tombe dans les mains des grands, des exacteurs, des avares, des voleurs. [Veyrières 1913 #726]
Se disait des avares. [Veyrières 1913 #2330]
Se dit de tout ce qui est tombé entre les mains d' un homme avide. [Houlder 1895]

Ohabolana Omby mahia very namana, olon' ory vitsy sakaiza. [Rinara 1974]

Ohabolana Ory tsy havan' ny rehetra fa enjehina aza. [Rinara 1974 #3470]

Ohabolana Toy ny alahelon-takatra : faly miara-mitakiky, ory miara-mitakoko, lohataona, toa manjokaiky, ririnina, manjoretra. [Rinara 1974 #4252]
Toy ny alahelon-takatra: raha faly, miara-mitokaka; ary raha ory, miara-mitokiky. [Houlder 1895]
Toy ny alahelon-takatra : raha faly miara-mitokaka ; raha ory miara-mitokiky. [Veyrières 1913 #5233, Cousins 1871 #3175]
Dikanteny frantsay C' est comme la tristesse des oiseaux takatra : contents, ils rient ensemble aux éclats ; tristes, ils sont malheureux ensemble. [Veyrières 1913]
Pareil au chagrin des "takatra" : (cigognes) quand ils sont joyeux ils s' égayent ensemble; et quand ils sont tristes ils le sont ensemble. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce proverbe, fait de ressemblance entre les mots mitokaka et mitokiky, disait l' union dans la bonne et dans la mauvaise fortune. [Veyrières 1913 #5233]

Ohabolana Tranobongo halan-tsetroka, olon' ory halan' ny mpanana. [Rinara 1974 #4382]

Ohabolana Vary lena ka tsaikatsaikao, havan' ory tsy mba firiatra. [Rinara 1974 #4877]

Ohabolana Vely amponga no tsy ory sahala, voro-dambamena no samy manana. [Rinara 1974 #4925]
Vely amponga no tsy ory sahala; voro-damba-raena no samy manana. [Cousins 1871 #3660]

Fizahan-teny