Fizahan-teny

Ohabolana : ozatra

Ohabolana Ny teny nofon-kena: raha roritina, tonga ozatra. [Cousins 1871 #2443]
Ny teny toy ny hena ka raha roritina tonga hozatra. [Veyrières 1913, Rajemisa 1985]
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra. [Veyrières 1913]
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga ozatra. [Houlder 1895 #553]
Ny teny toy ny nofon-kena, ka roritina tonga hozatra. [Rinara 1974 #3291]
Fanazavana malagasy Tsy tsara raha ny rasaka na ny ady hevitra no halavaina loatra fa mety hanjary fanditra na ady mihitsy aza. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Les paroles sont comme la chair, quand on l' étire elle devient muscle. [Houlder 1895]
Les paroles sont comme la viande : quand on tire dessus, cela devient nerf. [Veyrières 1913 #4796]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas tirer sur les mots pour leur faire dire ce que l'on veut. [Veyrières 1913 #4796]

Fizahan-teny