Fizahan-teny

Ohabolana : sakaiza manody

Ohabolana Aleo fahavalo fantatra, toy izay sakaiza manody. [Rinara 1974 #111]
Aleo ny fahavalo miharihary toy izay ny sakaiza manody. [Veyrières 1913 #5323]
Dikanteny frantsay Mieux vaut un franc ennemi qu' un ami perfide. [Veyrières 1913 #5323]

Ohabolana Aza manao sakaiza manody. [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Ne trahissez pas vos amis. [Houlder 1895]

Ohabolana Aza manao sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [Rinara 1974 #564, Cousins 1871 #493]
Sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [Veyrières 1913 #5343]
Dikanteny frantsay Ami perfide, ami traître : c' est une personne chère qui frappe. [Veyrières 1913 #5343]

Ohabolana Ny sakaiza manody mandravy, fa ny sakaiza tia tsy misorona. [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Un ami perfide trompe ; un ami qui aime n' a rien de caché. [Veyrières 1913 #5125]

Fizahan-teny