Fizahan-teny

Ohabolana : sambotra

Ohabolana 1Boka misambo-balala : mahazo ihany fa potsitra. [2.558 #62]
Sambo-balalan' ny boka mahazo ihany fa potsitra. [2.558]
Sambo-balalan' ny mondry mahazo ihany fa potsitra. [2.558]

Ohabolana 2Sambo-balala maina andro ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso. [1.1]
Sambo-balala mainandro : raha tsy azo anio, azo ampitso. [2.974 #27, 2.653]
Sambo-balala main' andro : raha tsy azoko anio, azoko rahampitso. [2.558 #3821]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa azo atao amin' ny andro hafa izay manahirana anio, fa manova zavatra ny fotoana. [1.1]
Dikanteny frantsayChasse aux sauterelles par un jour sec : si on les manque aujourd'hui, on les aura demain... [2.974 #27]

Ohabolana 3Sambo-balalan-dRaivondeso : mbola eny an-danitra ka siahina, ary tsy mbola azo akory, ka hoe " hasiako sira " . [2.415]
Sambo-balalan-dRaivondeso : mbola eny an-danitra ka siahina, ary tsy mbola azo akory, ka hoe " valalan-janako " . [2.415]
Sambo-balalan-dRaivondeso: mbola eny an-danitra ka siahina ; tsy mbola azo ka "valalan-janako". [2.653, 2.558]
Sambo-balalan-dRenikalafohy : mbola am-panidinana ka asiako sira. [2.558 #3824]
Sambo-balalan-dRenikalafohy : mbola any an-danitra ka " hasiako sira ". [2.653 #2855, 2.974 #227]
Dikanteny frantsayPrésomption de Renikalafohy : les sauterelles volent encore dans le ciel et elle dit : " J’y mettrai beaucoup de sel ". [2.974 #227]
Raivondeso ramasse des sauterelles : elles sont encore dans l' air et déjà elle siffle, elle ne les a pas encore prises et déjà elle dit : je les salerai, je les donnerai à mon enfant. [2.415 #6036]
Fanazavana frantsayAnalogue au français : vendre la peau de l' ours avant de l'avoir tué. [2.415 #6036]

Ohabolana 4Sambo-balalan' ny mondry : maty am-pisamborana ihany. [2.415 #2022, 2.653]
Dikanteny frantsayUn homme qui a les doigts rongés par la lèpre quand il veut prendre des sauterelles, il les tue et les écrase. [2.415 #2022]
Fanazavana frantsaySe disait des grossiers et des maladroits. [2.415 #2022]

Fizahan-teny