Fizahan-teny

Ohabolana : sasa-poana

Ohabolana Sasa-poana manao saha maina, fa tsy ho tompon-tanàna akory. [Houlder 1895]
Sasa-poana manao saha maina, fa tsy ho tompon-tanàna rahoviana! [Rinara 1974 #3860]
Sasa-poana manao saha maina, fa tsy ho tompon-tanàna tsy akory. [Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Vous vous fatiguez pour rien en préparant un champ auprès d' un village que vous n' habiterez jamais. [Houlder 1895]

Ohabolana Sasa-poana ny olona tsy mihevitra. [Veyrières 1913 #6153]
Dikanteny frantsay Les personnes qui ne réfléchissent pas se fatiguent inutilement. [Veyrières 1913 #6153]

Ohabolana Sasa-poana ohatra ny akoho mikotri-borona, valaky ny tsy ho an' ny tena. [Abinal 1888]
Dikanteny frantsay Fatigué inutilement, comme une poule couvant des oeufs de canard. [Abinal 1888]
Fanazavana frantsay Elle s'épuise pour des petits qui ne la suivront pas. [Abinal 1888]

Ohabolana Tsy sasa-poana akory ny katsaka ela nihantonana fa niandry vanin-taona haniriana. [Rajemisa 1985]
Tsy sasa-poana tahaka ny katsaka ela nihantonana, fa miandry ny vanin-taona haniriana. [Rinara 1974 #4789]
Tsy sasa-poana, tahaka ny katsaka ela nihantonana, fa niandry vanin-taona haniriana. [Cousins 1871]
Fanazavana malagasy Ilazana ny olona nahita voka-tsara amin' ny fiandrasana ela fa tsy mba maimaika nanao zavatra tsy amin' ny fotoanany. [Rajemisa 1985]

Fizahan-teny