Fizahan-teny

Ohabolana : sery

Ohabolana Hikoha-maina aza hataony, ka mainka fa misy ny sery hanolahana. [Cousins 1871 #1072]
Hikoha-maina aza hataony ka mainka fa misy sery hanolahana. [Houlder 1895 #896, Rinara 1974 #1338]
Koha-maina aza ataony, indrindra fa misy sery kely hanolahany. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Izay vonona hamorona antonanton-javatra mba hanaovana izao sy izao dia vao mainka koa ho faly raha misy zavatra kely hohararaotiny. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Comme il tousserait même sans être malade, il toussera bien plus encore s' il a un rhume. [Houlder 1895 #896]

Ohabolana Raha sery ho sitran’ ny anamalaho ihany, ka aleo mitady vantotr’ akoho ho sahirana ? [Cousins 1871]
Raha sery ho vitan' ny anamalaho ihany, nahoana no mitady vantotr' akoho ho sahirana? [Veyrières 1913 #2822]
Raha sery vitan' anamalaho, aza amonoana vatotr' akoho. [Rinara 1974 #3655]
Sery vitan' anamalaho ka handaniana vantotr' akoho. [Rajemisa 1985]
Sery vitan' ny anamalaho, ka no hamonoana vatotr' akoho! Ny hihitra anefa mampisara-mianakavy. [Rinara 1974]
Fanazavana malagasy Nampiasain' ny Ntaolo ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr' akoho. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Si c'est un rhume que la plante anamalaho peut guérir, pourquoi chercher un poulet et se donner tant de peine? [Veyrières 1913 #2822]
Fanazavana frantsay Il faut proportionner les remèdes aux maux à guérir. [Veyrières 1913 #2822]

Ohabolana Zatra ny miondan-tanana ka raha mionda-mololo mararin' ny sery. [Rinara 1974]

Fizahan-teny