Fizahan-teny

Ohabolana : sery

Ohabolana 1Hikoha-maina aza hataony, ka mainka fa misy ny sery hanolahana. [2.653 #1072]
Hikoha-maina aza hataony ka mainka fa misy sery hanolahana. [2.165 #896, 2.558 #1338]
Koha-maina aza ataony, indrindra fa misy sery kely hanolahany. [1.1]
Fanazavana malagasyIzay vonona hamorona antonanton-javatra mba hanaovana izao sy izao dia vao mainka koa ho faly raha misy zavatra kely hohararaotiny. [1.1]
Dikanteny frantsayComme il tousserait même sans être malade, il toussera bien plus encore s' il a un rhume. [2.165 #896]

Ohabolana 2Raha sery ho sitran’ ny anamalaho ihany, ka aleo mitady vantotr’ akoho ho sahirana ? [2.653]
Raha sery ho vitan' ny anamalaho ihany, nahoana no mitady vantotr' akoho ho sahirana? [2.415 #2822]
Raha sery vitan' anamalaho, aza amonoana vatotr' akoho. [2.558 #3655]
Sery vitan' anamalaho ka handaniana vantotr' akoho. [1.1]
Sery vitan' ny anamalaho, ka no hamonoana vatotr' akoho! Ny hihitra anefa mampisara-mianakavy. [2.558]
Fanazavana malagasyNampiasain' ny Ntaolo ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr' akoho. [1.1]
Dikanteny frantsaySi c'est un rhume que la plante anamalaho peut guérir, pourquoi chercher un poulet et se donner tant de peine? [2.415 #2822]
Fanazavana frantsayIl faut proportionner les remèdes aux maux à guérir. [2.415 #2822]

Ohabolana 3Zatra ny miondan-tanana ka raha mionda-mololo mararin' ny sery. [2.558]

Fizahan-teny