Fizahan-teny

Ohabolana : setroka

Ohabolana Aza manao ranomaso teren' ny setroka. [Rinara 1974 #558]

Ohabolana Eny, fa ny anay setroka raha mitomany, fa ny anareo ranomaso. [Rinara 1974 #73]

Ohabolana Eny, fa ny setroka sy ny tomany tsy mba saro-pantarina akory. [Rinara 1974 #1040, Cousins 1871 #875]
Ny tomany sy ny setroka anie tsy mba saro-pantarina e ! [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Larmes sincères et larmes dues à la fumée, ne sont pas difficiles à distinguer ! [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Se disait des hypocrites et des gens rusés ; et en général, des choses faciles à distinguer. [Veyrières 1913 #5030]

Ohabolana Masaka teren' ny setroka toy ny akondro naotrika. [Rinara 1974 #2149]

Ohabolana Mitady izay tsy ho henoina ka mitafasiry be setroka. [Veyrières 1913 #4774, Rinara 1974 #2426, Cousins 1871 #1847]
Dikanteny frantsay C' est vouloir ne pas être écouté que de causer au moment où la fumée remplit la case. [Veyrières 1913 #4774]
Fanazavana frantsay Parler inutilement. [Veyrières 1913 #4774]

Ohabolana Rafotsibe mpisorona afo, ka halan' ny setroka. [Veyrières 1913 #1912]
Dikanteny frantsay Vieille femme chargée d' attiser le feu : elle est noircie par la fumée. [Veyrières 1913 #1912]
Fanazavana frantsay Se disait des gens de mauvaise réputation et justement décriés. [Veyrières 1913 #1912]

Ohabolana Raha misy afo dia ao ny setroka. [Rinara 1974 #3617]

Ohabolana Ranomaso teren' ny setroka. [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Larmes feintes sont comme celle que la fumée fait verser. [Veyrières 1913]

Ohabolana Samihafa ny setroka sy ny mitomany. [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Pleurer par suite de la et pleurer par suite de la douleur, sont deux choses différentes. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Se disait des crites et des gens rusés. Vérité et hypocrisie sont choses fort différentes. [Veyrières 1913 #5037]

Ohabolana Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina. [Houlder 1895 #2146, Veyrières 1913 #2776]
Dikanteny frantsay Fumée et larmes se voient facilement. [Veyrières 1913 #2776]
La fumée et les larmes s' aperçoivent facilement. [Houlder 1895]

Ohabolana Tranobongo be setroka, ny valo zoro be laza. [Rinara 1974 #4381]

Ohabolana Tsy ranomaso noteren' ny setroka, fa ny kibo saoky ny nahiny. [Rinara 1974 #4787]

Fizahan-teny