Fizahan-teny

Ohabolana : sifotra

Ohabolana Aza mitaitay maka sifotra, fa mbola hifefika ihany raha tonga. [Veyrières 1913 #3795, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Ne vous hâtez pas trop de ramasser le plus possible d' escargots, car une fois arrivé à la maison, il faut encore briser la coquille. [Veyrières 1913 #3795]
Fanazavana frantsay Se disait aux gens trop pressés. [Veyrières 1913 #3795]

Ohabolana Bory mahatafita ny ony toa sifotra. [Rinara 1974 #960]

Ohabolana Hafahafa fitia ifotra ka ny tamenany indray no ariana. [Rajemisa 1985]
Hafahafa fitia sifotra, ka ny taviny no ariana. [Houlder 1895 #1676]
Hafahafa fitia sifotra : ny tamenany no ariana. [Cousins 1871]
Hafahafa fitia sifotra : ny tamenany (taviny) indray no ariana. [Rinara 1974 #1239]
Hafahafa fitia sifotra : ny taviny no ariana. [Cousins 1871]
Hafahafa toa sifotra, ka ny tamenany indray no ariana. [Houlder 1895 #1677]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny olona tsy mahay mifidy, na tsy mahalala ny tsara, ka ny tokony halaina indray no avela. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Aimer les escargots d' une drôle de façon, et en rejeter la partie grasse (ou gluante, litt, la graisse). [Houlder 1895 #1676]
Bizarre comme un escargot, on en rejette ce qui est rouge (ou rougeâtre). [Houlder 1895 #1677]

Ohabolana Manao loa-barin-dRenimpela : ny haka sifotra no feno lovia, fa ny ho any Mantasoa mandeha manaraina. [Rinara 1974 #2006, Cousins 1871 #1550]

Ohabolana Miditra an-tranon' olona, misolelaka ohatra ny sifotra, fa nony idiran' an-trano, mikainkona tahaka ny sokina. [Rinara 1974]

Ohabolana Sifotra antitra ka tsy maha-renivorona. [Rinara 1974 #3873]

Ohabolana Sifotra avaratr' i Namehana, ka sady sondry no lesoka. [Rinara 1974 #252]
Sifotra avaratr' i Namehana, sady sondry no lesoka. [Houlder 1895]
Sifotra avaratr’ Inamehana, sady sondry no petak’ orona. [Veyrières 1913 #1707, Cousins 1871 #2887]
Dikanteny frantsay (Elle est comme) un escargot du nord de Namehana, qui a la figure et le nez plats. [Houlder 1895]
Escargots au nord de Namehana : le tête est courte et le nez écrasé. [Veyrières 1913 #1707]
Fanazavana frantsay Se disait de la figure de certaines personnes. [Veyrières 1913 #1707]

Ohabolana Sina hoatry ny sifotra nalan-doha. [Veyrières 1913 #5779]
Sina ohatra ny sifotra nalan-doha. [Cousins 1871, Rajemisa 1985]
Sina sahala amin' ny sifotra nalan-doha. [Rinara 1974 #3890]
Fanazavana malagasy Enti-milaza olona very hevitra, sanganehana izaitsizy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Interdit et muet de confusion, comme un escargot auquel on a coupé la tête. [Veyrières 1913 #5779]

Fizahan-teny