Fizahan-teny

Ohabolana : sima

Ohabolana Aza mety hambosian' Ikotofankaota : fa vorombe sima sady fahatelobe tsy mampanana. [Rinara 1974 #718]
Aza mety hambosin' Ikotofankaota : vorombe simba fahatelobe tsy mampanana. [Veyrières 1913 #1182, Cousins 1871 #597]
Dikanteny frantsay Ne vous laissez pas monter la tête par Ikotofankaota : un méchant homme met le trouble dans les ménages bien unis, comme une oie méchante met le trouble. [Veyrières 1913 #1182]
Fanazavana frantsay Ces paroles étaient dites aux époux pour les mettre en garde contre les mauvaises langues. [Veyrières 1913 #1182]

Ohabolana Faly sembanin' alahelo toy ny tera-dahy sima. [Rinara 1974 #1065]

Ohabolana Kapakapa vorombe sima : jereo aloha ny tena vao manenitra olona. [Rinara 1974 #1597]
Kapakapa, vorombe sima ; mba mijere tena vao manenitra olona. [Veyrières 1913 #4867, Nicol 1935 #445]
Kapakapa vorombe sima, mijere tena vao manenitra ny sasany. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ireo olona masiaka sy tia tena, nefa mpanenitra ny hafa. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Oie au bec échancré, toute balafrée, regarde-toi toi-même avant de te moquer des autres. [Veyrières 1913 #4867]
Taisez-vous, oie à bec fendu : regardez-vous vous-même avant de vous moquer des autres. [Nicol 1935 #445]
Fanazavana frantsay Paroles de mépris qui ne se disaient qu' aux enfants. [Veyrières 1913 #4867]

Ohabolana Manita-draharaha toy ny sima misioka. [Veyrières 1913 #2620, Houlder 1895]
Manitatra ohatra ny sima misioka. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Augmenter son mal (litt. son travail) comme un bec-de-lièvre qui siffle. [Houlder 1895 #2083]
Augmenter son mal ou son travail, comme un bec-de-lièvre qui siffle. [Veyrières 1913 #2620]

Ohabolana Maro no sima, fa izay vaky orona no ratsy. [Houlder 1895 #1295]
Dikanteny frantsay Beaucoup ont un bec-de-lièvre, mais ce sont ceux qui ont le nez rongé, (litt. cassé ou fendu) qui sont (vraiment) laids. Les gens affligés de la syphilis à la période tertiaire ont souvent le nez complètement défiguré. [Houlder 1895]

Ohabolana Miaramila be molotra : tsy mitady tarehy, fa tavy no ilaina. [Veyrières 1913 #438]
Miaramila sima : tsy mila tarehy tsy be angesongeso, fa tavy ihany kosa no tadiavina. [Veyrières 1913 #438]
Miaramila sima : tsy mitady tareby, fa tavy no ilaina. [Cousins 1871 #1731]
Miaramila sima : tsy mitady tarehy, fa tavy no ilaina. [Rinara 1974 #2267]
Dikanteny frantsay Soldats à grosses lèvres et soldats à bec-de-lièvre : ils ne cherchent pas la beauté ni les apprêts mais ils soignent la graisse de leurs joues. [Veyrières 1913 #438]
Fanazavana frantsay Se disait des gens grossiers et mangeant bien. [Veyrières 1913 #438]

Ohabolana Ny sima manjolanjola, ny poa-maso manalava molotra, ka anaro ny tena fa kilema samy manana. [Rinara 1974]

Ohabolana Raha ny molotra no tenenina, dia hangina aho, hoy ilay sima. [Rinara 1974 #3638]
Raha ny molotra no tenenina, dia sina aho, hoy ilay sima. [Cousins 1871 #2704]

Ohabolana Sima misarom-bava : tsy ody hatsiaka akory fa fombany ihany. [Rinara 1974 #3887]

Ohabolana Sima nozairina : tafahoana fa mikentrona. [Rinara 1974 #3888]
Sima nozairina : tonga tany ihany, fa miketrona. [Veyrières 1913 #1708, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Bec-de-lièvre qu' on a cousu : tout se rejoint mais il y a des plis. [Veyrières 1913 #1708]
Fanazavana frantsay Il reste des traces des difficultés, ou des événements, ou des paroles, même après arrangement ou réconciliation. [Veyrières 1913 #1708]

Ohabolana Sima sy rombina : ka aza mifanaratsy. [Rinara 1974 #3889]
Sima sy rombina : ka aza mifanebaka. [Rinara 1974 #3889]

Ohabolana Very sasaka, very fahatelo, ohatra ny ro sotroin' ny sima. [Cousins 1871, Rinara 1974]

Fizahan-teny