Fizahan-teny

Ohabolana : sitrana

Ohabolana Adidinao tsy namangy, fa ny aretiko afaka ihany. [Veyrières 1913 #1045, Cousins 1871, Houlder 1895]
Adidinao tsy namangy, fa ny aretiko sitrana ihany. [Rajemisa 1985 #22]
Ny aretiko afaka ihany, fa adidinao tsy namangy. [Veyrières 1913 #1045]
Fanazavana malagasy Ianao no mahazo tsiny amin' ny fihavanana noho ny tsy nitsidihanao ahy narary, fa izaho itý sitrana ihany. [Rajemisa 1985 #22]
Dikanteny frantsay Le blâme vous reste pour ne pas m'avoir visité dans ma maladie, gardez-le ; moi, je suis quand même débarrassé de mon mal. [Veyrières 1913 #1045]
Vous êtes blâmable de ne m' avoir pas rendu visite, mais je n' en suis pas moins guéri de ma maladie. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Se disait à ceux qui n'assistaient pas leurs parents dans l'embarras. [Veyrières 1913 #1045]

Ohabolana Arahaba sitrana soa aman-tsara. [Veyrières 1913 #4107]
Dikanteny frantsay Salut, vous qui êtes guéri, sain et sauf. [Veyrières 1913 #4107]
Fanazavana frantsay Félicitations après guérison. [Veyrières 1913 #4107]

Ohabolana Boka nempahina ka na sitrana aza narahin-kolatra ihany. [Rinara 1974 #940]
Boka nempahina : na sitrana aza, mbola arahin-kolatra ihany. [Veyrières 1913 #1987, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Lépreux écorché : même guéri, il lui reste des cicatrices. [Veyrières 1913 #1987]
Fanazavana frantsay Se disait des suites et conséquences. [Veyrières 1913 #1987]

Ohabolana Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza aretina na toe-javatra sarotra itadiavam-panafody, ka arakaraka ny anantenana azy ho sitrana no vao mainka mampitombo ny fahavoazana aterany. [Rajemisa 1985]

Fizahan-teny