Fizahan-teny

Ohabolana : soasoa

Ohabolana Raha soasoa no ataon-drahavana, dia tsiriry miandry farihy izahay, fa raha ratsiratsy no ataon-drahavana, manifi-drano izahay dia lasa. [Rinara 1974 #3656]

Ohabolana Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo. [Houlder 1895]
Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana ny arivo. [Cousins 1871 #2712]
Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatan-kadivory, roa lahy mahatana arivo. [Rinara 1974 #3657, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny fitia mifamaly: raha soa no ataon-dRahavana, mba betsaka koa no mety ho vitako aminy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Si mes amis me font du bien, je puis défendre seul le fossé circulaire, et deux hommes arrêteront mille ennemis. [Houlder 1895]

Fizahan-teny