Fizahan-teny

Ohabolana : sobiky

Ohabolana 1Aza mitonantonana, toy ny sobiky natoetra. [2.653 #668]

Ohabolana 2Entin' ny fitia ta-hanam-be: ka ny sinibe no enti-mantsaka, sobiky no enti-manjono. [2.165]
Fitia te-hanam-be, ka sinibe no enti-mantsaka, sobika no enti-manjono. [2.415 #3797]
Fitia te-hanam-be ka sinibe no enti-mantsaka, sobiky no enti-manjono. [2.558 #1179]
Fitia te-hanam-be no amparina, ka sobika no enti-manjono, sinibe no enti-mantsaka. [2.415 #3797]
Ny fitia ta-hanam-be no amparina, ka sobiky no enti-manjono, sinibe no enti-mantsaka. [2.653 #2235]
Ny fitia te-hanam-be no amparina, ka sobiky no enti-manjono ary sinibe no enti-mantsaka. [2.558 #3002]
Dikanteny frantsayLa cupidité: elle fait prendre la "grande cruche" pour aller puiser l' eau et un panier pour aller pêcher. La "grande cruche" sert à mettre l' eau que l' on tient en réserve à la maison, et elle est souvent fixée dans le sol. [2.165]
On a le désir des richesses et des grandeurs et on porte une grande cruche pour puiser de l' eau, un grand panier pour la pêche. [2.415 #3797]
Fanazavana frantsaySe disait des désirs excessifs. [2.415 #3797]

Ohabolana 3Faka vilon-dRenitalata : ny an-tsobiky tsy misy ka ny an-tongoany no alaina aloha. [2.558]
Faka vilon-dRenitalata : ny an-tsobiky tsy misy, ka ny antongoany no alainy aloha. [2.653 #886]
Manao faka vilon-dRenitalata : ny an-tsobika tsy misy, ka ny atongoany indray iky no alainy aloha. [2.415 #2386]
Dikanteny frantsayRenitalata qui ramasse de l'herbe pour les animaux : il n' y a rien dans sa corbeille et elle va chercher d' abord ce qui est à mettre par-dessus. [2.415 #2386]
Fanazavana frantsayProverbe analogue au français : mettre la charrue avant les boeufs ; se disait aussi des imprévoyants, des dissipateurs. [2.415]

Ohabolana 4Izay tsy mahay sobiky dia mahay fatambary. [2.165 #1599]
Izay tsy mahay sobiky mahay fatambary. [2.653 #1205, 2.974 #13]
Dikanteny frantsayCelui qui ne sait pas faire une corbeille, peut tresser un petit panier. [2.165]
Si le sobiky vous dépasse, faites des fatambary. [2.974 #13]
Fanazavana frantsayMême le plus incapable peut faire quelque chose. [2.165]

Ohabolana 5Ny vody harona aza manana izay tandrifiny. [2.415 #1843, 2.653 #2485]
Ny vody harona aza tsy lany tandrify. [2.165 #1747]
Ny vody sobiky aza mbola manana ny tandrifin' azy. [2.415 #6150]
Dikanteny frantsayLe fond du panier a aussi ce qui lui convient. [2.415 #6150]
Les vieux fonds de paniers eux-mêmes ont leur destination. [2.415 #1843]
Même le fond d' une corbeille trouve encore quelque chose qui lui va (peut encore être utile à quelque chose). [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifie que l'être humain le plus déshérité peut quand même trouver à se marier, à Madagascar. [2.165]
Le sens est que les personnes âgées ont bien leur utilité. [2.415 #1843]
Ne regardez pas seulement un côté des choses ou des hommes, mais regardez l'ensemble. [2.415 #6150]

Ohabolana 6Sahala heloka ihany ireo; fa ny iray harona nialozana, ary ny iray sobiky nitaterana. [2.653]
Sahala heloka ihany ireo: fa ny iray harona nilaozana, ary ny iray sobiky nitaterana. [2.165 #1079]
Sahala ihany raha harona nialozana sy sobiky nitaterana. [2.558]
Dikanteny frantsayTous deux sont également coupables: car l' un est le panier dans lequel on l' a mis, et l' autre est la corbeille dans laquelle on l' a transporté. [2.165]

Ohabolana 7Sobika miongana an-tsena : ny tompony no avy manarina. [2.415 #2748]
Sobiky miongana an-tsena, ka ny tompony no avy manarina. [2.558 #3907]
Sobiky miongana an-tsena : ny tompony no avy manarina. [2.653 #2909]
Dikanteny frantsayCorbeille renversée au marché : c' est son propriétaire qui vient la relever. [2.415 #2748]
Fanazavana frantsayLa vie est ainsi faite : à chacun de s'occuper de ses affaires. [2.415 #2748]

Ohabolana 8Sobika nenti-nanjono : lehibe voavivitra. [2.415 #1856]
Sobiky nentina nanjono, ka lehibe ihany fa voavivitra. [2.558 #3908]
Sobiky nenti-nanjono ka lehibe voavivitra. [2.165 #1376]
Sobiky nenti-nanjono : lehibe voavivitra. [2.653 #2910]
Dikanteny frantsayPanier qu' on emploie pour la pêche : c' est un grand qu' on tiraille par-ci par-là. [2.415 #1856]
Une corbeille servant à la pêche, c' est quelque chose de grand qu' on pince et soulève ((comme lorsqu' on tire les oreilles à quelqu' un). [2.165]
Fanazavana frantsayC' est humiliant pour elle! [2.165]
Se disait des personnes âgées qu' on traitait avec peu d' égards. [2.415 #1856]

Ohabolana 9Sobika rindra notampenan-kerana : ny azy fanahy iniany. [2.415 #2108]
Sobiky rindra notampenan-kerana, hita ihany fa fanahy iniana. [2.558 #254]
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany. [2.165 #157]
Sobiky rindra notampenan-kerana: ny azy fanahy iniany. [2.653 #2911]
Dikanteny frantsayCorbeille faite avec des écorces de joncs zozoro et raccommodée avec des joncs herana : c' est chose voulue par le maître. [2.415 #2108]
Une corbeille en jonc ordinaire à laquelle quelqu' un met un couvercle en gros jonc: (c' est mal assorti, mais) il a ce qu' il a voulu. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait par manière de raillerie contre ceux qui faisaient des choses ridicules. [2.415 #2108]

Ohabolana 10Tanora tsy mandray ravin-deno, ka fotsy volo vao miloloha sobiky. [2.558 #4066]

Ohabolana 11Trafon-kena amy ny vody sobiky : malaza ihany, fa afa-boninahitra. [2.653]
Trafon-kena amin' ny vody sobika : malaza ihany fa afa-boninahitra. [2.415 #4612]
Dikanteny frantsayBosse de boeuf dans un vieux fond de corbeille usée : elle est célèbre, mais déshonorée. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des grands, déchus de leur grandeur. [2.415 #4612]

Ohabolana 12Tsy mahay sobika dia mahay fatambary. [2.415 #867]
Dikanteny frantsayCeux qui ne peuvent pas faire de grandes mesures de riz peuvent en faire de petites. [2.415 #867]
Fanazavana frantsayChacun doit faire ce qu'il peut et ainsi il est possible de se rendre service mutuellement. [2.415 #867]

Ohabolana 13Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary. [1.1]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary ihany no handraofana. [2.415 #2269]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [2.415 #2269]
Voninahitra omena ny sobiky, fa ny fatambary no azo handraofana ihany. [2.653]
Voninahitra omena ny sobiky fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [2.558 #327, 2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin' ny zavatra madinika. [1.1]
Dikanteny frantsayLa corbeille est considérée avec respect mais c' est le fatambary ou petite mesure de riz qui est le maître de la mesure, c' est lui qui puise dans la corbeille à riz. [2.415 #2269]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas mépriser les petits car on a souvent besoin d' un plus petit que soi. [2.415 #2269]

Fizahan-teny