Fizahan-teny

Ohabolana : sora-damba

Ohabolana Aza manao sora-damba tsy tian' ny manjaka. [Rinara 1974 #577]
Manao sora-damba tsy tian' ny mpanjaka. [Rajemisa 1985]
Sora-damba tsy tian' ny manjaka. [Veyrières 1913 #257]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ireo tsy manao araka ny sitrapon' ny mpanjaka (taloha ireny, fony fahampanjaka tsy refesi-mandidy, dia nofaizina mafy). [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Ce sont des dessins d' étoffe que le souverain n' aime pas. [Veyrières 1913 #257]
Fanazavana frantsay On appelait ainsi les actes qui étaient contre la volonté du souverain. [Veyrières 1913 #257]

Ohabolana Aza mitsivalana toa sora-damba. [Houlder 1895 #2178, Veyrières 1913 #6351]
Dikanteny frantsay Ne vous placez pas en travers, comme les dessins des étoffes. [Veyrières 1913 #6351, Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce qui veut dire: il ne faut pas s' opiniâtrer dans ses idées, et ne pas considérer celles des autres. [Houlder 1895]
Ne vous obstinez pas dans vos idées. [Veyrières 1913 #6351]

Ohabolana Ny fitia sora-damba ka samy mifidy izay tiany. [Rinara 1974 #3004]

Ohabolana Sora-damba napetaka amin’ ny maty : tsara tsy azo alaina. [Samson 1965 #S44]

Ohabolana Sora-damba tran-tompony : tsara fidy loatra. [Samson 1965 #S45]

Fizahan-teny