Fizahan-teny

Ohabolana : sotro

Ohabolana Ampiantany ny ditra ary sotro vato ny nenina. [Veyrières 1913 #6411]
Dikanteny frantsay L' obstination est un mur et le remords une cuiller à mortier. [Veyrières 1913 #6411]

Ohabolana Ataovy sotro ranon’ akoho: kely azo, andrandraina; be azo, andrandraina. [Houlder 1895 #573, Cousins 1871 #310]
Sotro ranon' akoho : kely azo andrandraina, be azo andrandraina. [Rinara 1974 #3960]
Sotroranon' akoho, kely azo iandrandrana, be azo iandrandrana. [Veyrières 1913 #52]
Dikanteny frantsay Faites comme les poules quand elles boivent de l' eau: qu' elles en prennent peu ou qu' elles en prennent beaucoup, elles lèvent toujours la tête (comme pour remercier). [Houlder 1895 #573]
Une poule qui boit : qu' elle boive peu ou beaucoup, elle lève la tête vers le ciel. [Veyrières 1913 #52]
Fanazavana frantsay Il faut remercier Dieu de tous les biens qu' il nous donne, petits ou grands. [Veyrières 1913 #52]

Ohabolana Aza mila voatsiary ka tandroky ny moka no tadiavin-ko sotro fotsy. [Rinara 1974 #778]
Aza mila voa tsy ary : tandroky ny moka, ka "ataoko sotro fotsy". [Veyrières 1913 #2072, Cousins 1871 #627]
Dikanteny frantsay Ne cherchez pas un fruit qui n' existe pas et ne demandez pas l'impossible, comme celui qui voit les antennes d'un moustique et dit : avec ces cornes je ferai des cuillers blanches. [Veyrières 1913 #2072]

Ohabolana Fa ny iray sotro asisika, ary ny iray nila voa tsy ary. [Cousins 1871 #877]
Ny iray sotro asisika, ary ny iray mila voatsiary. [Veyrières 1913 #1223]
Dikanteny frantsay L' un est agaçant comme la cuiller qui repique sans cesse dans le plat, l' autre est exigeant au point de vouloir des fruits qui n' ont jamais existé. [Veyrières 1913 #1223]
Fanazavana frantsay Se disait des ménages en désaccord continuel. [Veyrières 1913 #1223]

Ohabolana Kamboty be sotro ka manampatra ny fahoriana. [Rinara 1974 #1595]
Kamboty be sotro : manampatra ny fahoriana. [Veyrières 1913 #1022, Cousins 1871 #1222]
Kamboty be sotro, manampatra ny fahoriany. [Houlder 1895 #1903]
Dikanteny frantsay Orphelin qui se sert d' une grande cuiller : il ne fait qu' augmenter son malheur. [Veyrières 1913 #1022]
Un orphelin avec une grande cuiller: il profite de son malheur. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Parce qu' il mange tant qu' il peut. [Houlder 1895]
Se disait des prodigues. [Veyrières 1913 #1022]

Ohabolana Mateti-piavy toa sotro-kely. [Rajemisa 1985]
Mateti-pihavy, toa sotro kely. [Veyrières 1913 #1655, Rinara 1974 #143, Cousins 1871 #1658]
Mateti-pihavy, toa sotro kely izy. [Houlder 1895 #604]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fialan-tsiny raha toa ka voatery miteny matetika eo amin' ny fivoriana iray. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Il revient souvent comme une petite cuiller. [Houlder 1895 #604]
Qui arrive fréquemment, comme la petite cuiller qui se porte plus fréquemment à la bouche que la grande parce qu' elle est de moindre contenance. [Veyrières 1913 #1655]
Fanazavana frantsay Ce proverbe se disait des personnes et des choses. [Veyrières 1913 #1655]

Ohabolana Matimatim-pitia toa lalitra ka mitsabaka alohan' ny sotro. [Rinara 1974]
Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan' ny sotro. [Houlder 1895 #1710, Nicol 1935 #448, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny fahavoazana ateraky ny saina tsy ampy ka maimay mitsoboka atsy sy ary. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Aveuglé par l’amour, comme la mouche qui plonge avant la cuiller. [Nicol 1935 #448]
Mourir par excès d' affection comme la mouche qui se jette dans un liquide avant que la cuillère y pénètre. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Il s' agit d' un liquide brûlant, du lait ou de la sauce, par ex., dans lequel la mouche se jette et périt. [Houlder 1895]

Ohabolana Misotro rano an-tanam-bazo : tsy hetaheta fa angolangola. [Veyrières 1913 #1417, Rinara 1974 #2420]
Sotro-rano an-tanam-bady: tsy hetaheta fa angolangola. [Cousins 1871 #2945]
Sotro rano an-tanam-bazo tsy hetaheta fa angolangola. [Rinara 1974, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza haitraitra kely mba hamalifaliana ny hafa fotsiny fa tsy zavatra tsy maintsy ilainy akory. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Boire de l' eau dans la main d' une amante, ce n' est pas la soif qui vous pousse, mais la passion. [Veyrières 1913 #1417]

Ohabolana Ny voamena zaton' i dada, ny sotro rano tsy tian' i neny. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ireo fisahiranan' ny ray aman-dreny amin' ny zanany, ka ny an' ny reny, dia ny mikasika indrindra ny niterahany azy; ny an' ny ray kosa, ny mikasika ny fitadiavam-bola hamelomana azy. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza ny fahasahiranana mafy nentin' ny ray sy ny reny amin' ny famelomana, fikarakarana ny zanaka eo amin' ny taona mbola maha-kely azy indrindra. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Rafotsibe tia zafy : "Inty ny sotro ho anao ; fa aoka aho hangaron-tanana". [Cousins 1871]
Rafotsibe tia zafy : inty ny sotro ho anao fa aoka aho hangaro-tanana. [Rinara 1974]
Tahaky ny ataon--dRafotsibe tia zafy hoe : inty ny sotro ho anao anaka, fa aoka aho hangaron-tanana. [Veyrières 1913 #1935]
Dikanteny frantsay C' est comme la vieille qui aime tendrement son petit-fils : prends la cuiller mon enfant, dit-elle, et moi je me servirai de mes mains pour manger. [Veyrières 1913 #1935]
Fanazavana frantsay Se disait des grands-parents qui traitaient trop bien leurs petits-enfants. [Veyrières 1913 #1935]

Ohabolana Raha hanao zavatra, aza manao hoe : " dombo ny angady " ; nefa raha hihinana manao hoe : " maranitra ny sotro " . [Veyrières 1913 #3966, Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Quand vous allez au travail, ne dites pas : la bêche est émoussée ; et quand vous allez manger : la cuiller racle bien la marmite. [Veyrières 1913 #3966]
Quand vous allez labourer, ne dites pas: "La bêche est émoussée" ; pour dire, quand vous allez manger: "La cuillère coupe bien" . [Houlder 1895]

Ohabolana Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no iray sotro, tsy avelako tsy ho tonga any aho ! [Veyrières 1913 #4220]
Raha tsy ny faladia no mivadika, raha tsy Itasy no tonga eran' ny sotro, tsy avelako tsy ho tonga any aho! [Rinara 1974 #3674]
Dikanteny frantsay Tant que ma plante des pieds ne se retournera pas, tant que le lac Itasy ne sera pas dans une cuiller, je ne laisserai pas que d' aller là-bas! [Veyrières 1913 #4220]

Ohabolana Sotro asisika. [Veyrières 1913 #6383]
Dikanteny frantsay L' obstiné est comme une cuiller qu' on enfonce toujours. [Veyrières 1913 #6383]

Ohabolana Sotro vokaka, ka ny tsy omby ny kibo aohatra ny loha. [Rinara 1974]

Ohabolana Tsabo mararin' Antoby, ka ny marary indray no miandry sotro. [Rinara 1974 #4393, Houlder 1895]
Tsabo-mararin’ Antoby: ny marary indray no miandry sotro. [Cousins 1871 #3274]
Dikanteny frantsay Les malades soignés à Antoby: ce sont eux qui doivent attendre leur tour de saisir la cuiller (pour manger). [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Il n' y a pas assez de cuillers pour tous (malades et bien portants) et ce sont les malades qui doivent attendre. [Houlder 1895]

Ohabolana Tsy tia taviny, fa tia sotro-menaka, tsy tia jabora, fa tia fonom-boany. [Rinara 1974 #4802]
Tsy tia taviny, ka tia sotro menaka ; tsy tia jaborany, ka tia fonom-boany. [Veyrières 1913 #4640, Cousins 1871 #3584]
Dikanteny frantsay Il n' aime pas la viande grasse, et pourtant il aime à boire de la graisse ; il n' aime pas le lard, et pourtant il aime la graisse qui enveloppe les rognons. [Veyrières 1913 #4640]
Fanazavana frantsay Faire des manières. [Veyrières 1913 #4640]

Fizahan-teny