Fizahan-teny

Ohabolana : tandroho

Ohabolana 1Izay very tandroho, very laoka. [2.558 #1527]

Ohabolana 2Mitondra tandroho tsy hanihika ka mampitsangam-bolo ny tsindretra. [2.558 #2481]

Ohabolana 3Mpanihika ka manadino tandroho; mpianala ka manadino famaky; mpitifitra ka manadino bala. [2.165 #1724]
Mpanihika manadino tandroho, mpianala manadino famaky, mpitifitra manadino basy : andao hiverina fa rahampitso manaraina. [2.558 #2594]
Dikanteny frantsayÊtre pêcheur (au panier) et oublier son panier; être bûcheron et oublier sa hache; être tireur et oublier ses balles. [2.165]

Ohabolana 4Tandroho tsara ladina no ao ka aza mitsipelika ho amalon-javatra! [2.558 #4040]

Ohabolana 5Tsy misy be fiarovana tahaka ny ondrindrano : tsirika telo, antsibe iray, nefa raha azon’ ny tandroho mitogaga. [2.653 #3512]
Tsy misy be fiarovana toy ny ondrindrano, fa tsirika telo, antsibe iray nefa mitolagaga raha voafaokan' ny tandroho. [2.558 #4706]

Ohabolana 6Vovo miara-milona sy tandroho miara-misitrika. [2.165 #1211]
Vovo miara-milona, tandroho miara-misitrika. [2.558 #5055]
Dikanteny frantsay(Nous sommes comme) des nasses trempant ensemble et des paniers à pêche qui plongent ensemble. [2.165]

Fizahan-teny