Fizahan-teny

Ohabolana : tango

Ohabolana 1Aza misaosao fa loha valala no laoka. [2.558 #790]
Aza misaosao, fa tango lena no laoka. [2.415 #2423]
Dikanteny frantsayNe vous prélassez pas dans du linge empesé, car en rentrant chez vous, vous trouverez comme nourriture des ailes et des pattes de sauterelles à enlever. [2.415 #2423]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui dépensent beaucoup pour la toilette et n' ont pas ce qui est nécessaire à la vie. [2.415 #2423]

Ohabolana 2Manao sotrobe lava tango: mahay atsy, mahay aroa. [1.1]
Sotrobe lava tango, ka mahay atsy mahay aroa. [2.558 #3956]
Sotrobe lava tango : mahay atsy, mahay aroa. [2.653 #2946, 2.974 #282]
Sotrobe lava tango mahay atsy mahay aroana. [2.415 #5039]
Sotrobe lava tango, sady fikapohana alika no fangaroana anana. [1.3]
Sotrobe lava tango: sady mahay atsy no mahay aroa. [1.1]
Sotroben-dRatsiavanga, ka sady fikapohana amboa no fangaroana anana. [2.558 #3958]
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana. [2.165]
Sotroben-dRatsiavanga : sady fikapohana amboa no fangaroana anana. [2.653 #2947]
Fanazavana malagasyIlazana ny olona mihatsaravelatsihy izay tsy menatra ny hanaratsy rehefa any amin' ny ilany, ary hanao toy izany koa any amin' ny an-daniny. [1.1]
Manao izay hifankahazoana resaka amin' olona na antokon' olona roa mifanohitra na tsy mitovy hevitra, mihatsaravelatsihy. [1.1]
Dikanteny frantsayCuiller à manche : elle peut puiser ici et là. [2.415 #5039]
La grande cuillère de Ratsiavanga: elle sert en même temps à frapper les poules et à brasser les légumes (dans la marmite). [2.165]
La grande cuillère qui a un long manche, sert à frapper les chiens et à mêler les herbes dans la marmite. [1.3]
Louche à long manche, qui atteint à droite et à gauche. [2.974 #282]
Fanazavana frantsayQui sert à deux fins; qui sait mettre la discorde et aussi à réconcilier. [1.3]
Se disait des gens qui savaient se faire passer amis des deux partis. [2.415]

Ohabolana 3Valala any an-danitra ka asiako sira, mbola tsy azo ka hoe : hatao tango lena. [2.558 #4833]
Valala mbola an-danitra ka asian-tsira. [1.1]
Fanazavana malagasyZavatra mbola tsy eo an-tanana, ka efa voatetika sahady ny hatao azy; be tetika ambony ihany. [1.1]

Fizahan-teny