Fizahan-teny

Ohabolana : tanimbary

Ohabolana Ny lainga toy ny vato am--balam-parihy, na tsy hitam-pangady raha lohataona aza, hitan' ny antsy raha fahavaratra. [Rinara 1974 #3062]
Vato am--balam-parihy, ka na dia tsy hitan' ny fangady raha lohataona aza, dia ho hitan' ny antsy raha fararano. [Veyrières 1913 #3159]
Vato am--balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona. [Rajemisa 1985]
Vato an-tanimbary : na tsy azon' ny antsy raha fararano, hitan' ny angady raha lohataona. [Rinara 1974]
Vato an-tanimbary : na tsy voan’ ny antsy amy ny fararano aza, ho tratry ny angady amy ny lohataona. [Cousins 1871 #3635]
Vato an-tanimbary : na tsy voan' ny antsy amin’ ny fararano aza, ho tratry ny angady amin’ ny lohataona. [Nicol 1935 #384]
Fanazavana malagasy Entina milaza ny vato latsaka eny an-tanimbary, izay na dia tsy hitan' ny antsin' ny mpijinja aza dia hitan' ny angadin' ny mpiasa, ka ny tiana holazaina amin' izany dia hoe: tsy misy zavatra tsy ho hita na ho ela na ho haingana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Pierre de la petite digue : si la bêche ne la trouve pas au printemps, le couteau la trouvera à l' automne. [Veyrières 1913 #3159]
Pierres dans la rizière : si elles sont épargnées par la faucille en automne, elles seront victimes de la bêche au printemps. [Nicol 1935 #384]
Fanazavana frantsay On disait ce proverbe pour signifier que tôt ou tard, une chose arrivera : au printemps la bêche sert à travailler la terre, et à l' automne le couteau sert à faire la moisson ou à couper les herbes qu' on donne aux animaux pour les engraisser. [Veyrières 1913 #3159]

Ohabolana Raha malahelo tia tombo-tsira, dia mitety ny tsena haleha ; ary raha kamboty raiki-pitia, lany mbamy ny tanimbary. [Cousins 1871 #2680]
Raha malahelo tia tombo-tsira, dia mitety tsena haleha ary raha kamboty raiki-pitia, lany mbamin' ny tanimbary. [Rinara 1974 #234]

Ohabolana Tanimbarin-dRalaikamo : rano fotsy mangeniheny, tsiparifary mandifotra olona. [Veyrières 1913 #3975]
Tanimbarin' ilay kamo, ka rano fotsy mangeniheny. [Veyrières 1913 #3974]
Tanimbarin’ ilay kamo : rano fotsy, mangeningenina ; harefo, mahadifotra olona. [Cousins 1871 #3010]
Tanimbarin' ilay kamo: rano fotsy mangeningenina; harefo mandifotra olona. [Houlder 1895]
Tanimbarin' ilay kamo : rano fotsy no mangeniheny, vohitr' ilay malaina : fandrodahy am--baravarana ihany. [Rinara 1974 #261]
Dikanteny frantsay La rizière d' un paresseux: elle est couverte d' eau stagnante, et de joncs plus hauts qu' un homme. [Houlder 1895]
Visitez la rizière du paresseux : c' est un marécage. [Veyrières 1913 #3974]
Visitez la rizière du paresseux : elle est devenue un marais et les joncs ont la hauteur d' un homme. [Veyrières 1913 #3975]

Ohabolana Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin--drainy. [Rinara 1974 #4441]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahonamandry an-tatatra, mamba mandry an-osy : samia mitoetra amy ny onin-drainy. [Cousins 1871 #3311]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy : samia mitoetra amin' ny onin--drainy. [Veyrières 1913 #865, Nicol 1935]
Dikanteny frantsay La libellule se repose dans la rizière, la grenouille dans les rigoles humides, le caïman sur les îlots du fleuve : qu’ainsi chacun demeure à sa place (dans sa rivière d’origine). [Nicol 1935 #122]
Larves de libellules dans les rizières, grenouilles dans les canaux, caïmans dans les îlots, que chacun demeure dans l' eau de ses pères. [Veyrières 1913 #865]
Fanazavana frantsay Chacun doit rester dans sa condition et garder ses usages. [Veyrières 1913 #865]

Ohabolana Tsy ny tanim-bary no madinidini-bary, fa isika roroa no madinidini--pitiavana. [Veyrières 1913 #5151]
Dikanteny frantsay Ce n' est pas le riz des rizières qui est petit, c' est notre amour à tous deux qui est petit. [Veyrières 1913 #5151]
Fanazavana frantsay Paroles dites pour reprocher le peu d'amour. [Veyrières 1913 #5151]

Fizahan-teny