Fizahan-teny

Ohabolana : taolana

Ohabolana Amboabe miandry varavarana: tsy vitan-dranom-bary, fa notsipazan-taolana. [Veyrières 1913 #699, Cousins 1871 #132]
Amboabe miandry varavarana : tsy vitan' izay ranom-bary, fa notsipazan-taolana koa. [Rinara 1974 #20]
Dikanteny frantsay Gros chien qui monte la garde à la porte : il ne se contente pas d' eau de riz, on lui jette des os. [Veyrières 1913 #699]
Fanazavana frantsay Se disait des exigences des grands, et aussi de celles des créanciers. [Veyrières 1913 #699]

Ohabolana Amboalahy mikiky taolana : tsy hery, fa hihitra. [Cousins 1871 #136]
Amboalahy mikiky taolana : tsy herin' ny nify fa hihitra no sisa. [Rinara 1974 #166]
Toy ny amboalahy mikiky taolana : tsy hery fa hihitra. [Veyrières 1913 #2331]
Dikanteny frantsay Chien qui ronge un os : ce n' est pas un indice de sa force, mais la preuve de son avarice. [Veyrières 1913 #2331]

Ohabolana Amboa nivalavalan-taolana : sady taitra ravo. [Samson 1965 #A52]

Ohabolana Aza atao fihavanan' alika, ka taolana iray no isarahana. [Rinara 1974 #383]
Aza manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana. [Houlder 1895 #206]
Aza manao fihavanan' amboa : taolana iray no isarahana. [Veyrières 1913 #5327]
Manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana. [Rinara 1974 #1990]
Manao fihavanan’ amboa: taolana iray no isarahana. [Cousins 1871 #1533]
Dikanteny frantsay N' agissez pas envers vos amis, comme les chiens qui se séparent pour un os. [Veyrières 1913 #5327]
N' aimez pas comme s' aiment les chiens, qui se séparent pour un os. [Houlder 1895]

Ohabolana Aza matoky tenda ka manao vary aman-taolana. [Houlder 1895 #903, Rinara 1974 #710]
Matoky tenda ka manao vary aman-taolana. [Rinara 1974 #147, Cousins 1871, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Matoky tena be loatra, ka manao zavatra amin-kasahiana mihoa-pampana. [Rajemisa 1985]
Matoky tena tsy mifanerana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Ne vous fiez pas trop à votre gosier en mangeant du riz mélangé d' os. [Houlder 1895]

Ohabolana Aza te-hoderain' ny alika, ka mikiky taolana tsy misy hena. [Houlder 1895 #840]
Aza te-hoderain' ny alika ka mikiky taolan-tsy misy hena. [Rinara 1974 #813]
Te hoderain' ny amboa, ka mikiky taolan-tsy misy hena. [Veyrières 1913 #2114]
Dikanteny frantsay C' est sans doute pour se faire louer du chien qu' il rogne un os où il n' y a rien à prendre. [Veyrières 1913 #2114]
Ne cherchez pas à être loué par les chiens en rongeant pour cela des os qui n' ont plus de viande. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Se disait des amateurs de louanges. [Veyrières 1913]

Ohabolana Dokodahy ririnina : toa tsy avy miainan' ny taviny, kanjo taolana ihany. [Rinara 1974 #67]

Ohabolana Hen’ ondry nialan-kodiny : taolana no sisa. [Cousins 1871 #1049]

Ohabolana Izaho tsy mikapa an-tenantenan-taolana, tsy mandrefy hazo mijoro, tsy manintsana ny maintimolaly, tsy manozongozona ny mafy, nefa raha tokony tsy ho afaka izaho alaina. [Rinara 1974 #1471]
Izaho tsy mikapa an-tenatena taolana, tsy mandrefy hazo mijoro, tsy manintsana ny maintimolaly, tsy manozongozona ny mafy ; nefa raha tokony tsy ho afaka, izaho alaina. [Veyrières 1913 #5180, Cousins 1871 #1171]
Dikanteny frantsay Je ne coupe pas l' os par le milieu, je ne mesure pas à la brasse un arbre qui est debout, je ne fais pas tomber ce qui est ancien et noirci par la fumée, je ne secoue pas ce qui est solide ; cependant s' il vous semble que vous ne puissiez pas arriver à bout, appelez-moi. [Veyrières 1913 #5180]
Fanazavana frantsay Je vous aiderai. [Veyrières 1913 #5180]

Ohabolana Lava nify mitsako taolana : mifandramatra samy mafy. [Veyrières 1913 #3473, Rinara 1974 #1763, Cousins 1871 #1347]
Dikanteny frantsay Homme à grandes dents qui mort dans un os : ce sont deux solides qui se disputent. [Veyrières 1913 #3473]
Fanazavana frantsay Se disait des querelles entre personnes capables de se mesurer. [Veyrières 1913 #3473]

Ohabolana Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro. [Cousins 1871 #1423, Rinara 1974, Rajemisa 1985]
Mahita ny amboa miady taolana, ka mahatsiaro ny hena fony nandro. [Veyrières 1913 #2510, Houlder 1895]
Fanazavana malagasy Ilazana ny fisehoanjavatra izay mamohafoha ny fotoana teo aloha; zavatra kely mampahatsiahy ny lasa, na soa izany na ratsy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay En voyant des chiens se disputer des os, on se souvient de la viande (abondante) de la Fête passée. [Houlder 1895]
Voir des chiens qui se disputent un os et se rappeler la viande qu' on a mangé aux réjouissances de la fête du Bain royal. [Veyrières 1913 #2510]
Fanazavana frantsay Au moment du Fandroana (Fête du bain), on tuait beaucoup de bœufs, et même les chiens mangeaient de la viande à ce moment-là. [Houlder 1895]
Se disait des pauvres gens qui ne font guère liesse qu' au premier jour de l' année ; se disait aussi des gourmands à qui l'eau revenait à la bouche au souvenir du festin. [Veyrières 1913 #2510]

Ohabolana Mampisalasala ohatra ny mitsako vozon' akoho : hatelina toa taolana, haloa toa nofony. [Rinara 1974]
Mampisalasala, ohatra ny mitsako vozon’ akoho ; hatelina, toa taolana; haloa, toa nofony ihany. [Cousins 1871]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora. [Rajemisa 1985]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora; hanina toa taolana, avala toa nofony ihany. [Rajemisa 1985]
Salasala mivozon’ akoho tanora : haloa, toa nofony ; hatelina, toa taolana. [Nicol 1935 #280, Veyrières 1913]
Salasala toa vozon' akoho tanora : haloa toa nofony, hatelina toa taolana. [Rinara 1974 #3816]
Fanazavana malagasy Enti-milaza zavatra tsy hita hatao ho tsara na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Ambigu ou équivoque comme le cou d’un jeune poulet : le rejeter? mais c’est de la chair ; l’avaler ? mais c’est de Vos. [Nicol 1935 #280]
Ni l' un ni l' autre, tel le cou d' un poulet : si on veut le rejeter, il semble cependant que c' est de la chair ; si on veut l' avaler, il semble que c' est un os. [Veyrières 1913 #4590]
Fanazavana frantsay Se disait pour signifier l' incertitude, quand on se demandait par exemple si un procédé dénotait amitié ou hostilité. [Veyrières 1913 #4590]

Ohabolana Mangala ny taolany hihinanana ny isiny. [Samson 1965 #M58]

Ohabolana Mangala-pijery ohatra ny banga voaroso taolan-dohaliny. [Rinara 1974]

Ohabolana Mizara be mahahendry, mizara kely maha-adala (ahazoana tsiny). [Rinara 1974 #2531]
Mizara be mahahendry, mizara kely mahadala, mandidy taolana mahadombo antsy. [Houlder 1895 #1621, Veyrières 1913 #3207]
Dikanteny frantsay Celui qui distribue beaucoup est appelé sage, celui qui distribue peu est appelé sot ; couper un os avec un couteau émousse le couteau. [Veyrières 1913 #3207]
Quand on distribue beaucoup, on est traité de sage; quand on distribue peu, on est traité de sot; couper un os avec un couteau émousse ce dernier. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas être chiche. [Veyrières 1913 #3207]

Ohabolana Mpitovolahy mamaky taolana : haniko rehefa handry. [Veyrières 1913 #1577, Cousins 1871 #1993]
Mpitovolahy mamaky taolana: haniko rehefa hatory. [Rinara 1974 #2627]
Dikanteny frantsay Jeune célibataire qui casse un os : je mangerai la moelle avant d' aller au lit, dit-il. [Veyrières 1913 #1577]
Fanazavana frantsay Il se console ainsi de ne pas être marié. [Veyrières 1913 #1577]

Ohabolana Ny alika jamban' ny taolana, ny olona jamban' ny vola. [Rinara 1974 #2855]

Ohabolana Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana. [Houlder 1895 #1688]
Ny ondry voatsipy taolana, ny alika voarotsa-bilona: tao ihany fa nifamadika. [Rinara 1974 #3202]
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona : tao ihany fa nifanolana. [Veyrières 1913 #3733, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Au mouton on a jeté un os, et au chien de l' herbe: les deux choses étaient bien là, mais pas à leur place respective. [Houlder 1895]
Au mouton on a jeté un os, et au chien de l' herbe : tout y était, seulement il y a eu confusion. [Veyrières 1913 #3733]
Fanazavana frantsay Se disait de ceux qui font les choses à rebours. [Veyrières 1913 #3733]

Ohabolana Ny taolana mahajamba ny alika, ny hena mahajamba ny adala, ny vola mahajamba ny hendry. [Veyrières 1913 #2229]
Dikanteny frantsay Un os aveugle un chien, un morceau de viande aveugle et passionne les sots, l' argent aveugle et passionne les gens sages. [Veyrières 1913 #2229]
Fanazavana frantsay On est prêt à toutes les folies pour acquérir les richesses. [Veyrières 1913 #2229]

Ohabolana Taolana ny nify ka mihomehy. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Entina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin' ny voina na fahoriana mahazo aza. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Taolan' antitra, ka raha tapaka tsy mitohy intsony. [Rinara 1974 #4109]
Taolan' antitra : raha tapaka tsy mitohy intsony. [Veyrières 1913 #1864, Cousins 1871 #3036]
Dikanteny frantsay Les os des vieillards ne se raccommodent pas. [Nicol 1935 #330]
Os de vieux: s' il vient à se briser, il ne se raccommode pas. [Veyrières 1913 #1864]
Fanazavana frantsay On disait ces paroles aux vieillards pour les exhorter à prendre garde. [Veyrières 1913 #1864]

Ohabolana Taolan' omby mahia aho, ka na tsy hena aza fofy. [Rinara 1974 #4110]
Taolan’ omby mahia aho : na tsy hena aza, fofy. [Veyrières 1913 #2464, Cousins 1871 #3037]
Dikanteny frantsay Je suis un os de boeuf maigre : si je ne suis pas de la viande, du moins je sers de peigne pour tracer les raies des tresses de cheveux. [Veyrières 1913 #2464]
Fanazavana frantsay Je suis utile à quelque chose. [Veyrières 1913 #2464]

Ohabolana Te-hoderain’ ny amboa, ka mikiky taolan-tsy misy. [Cousins 1871 #3062]

Ohabolana Tsy misy hodiny hovoasana na taolana hatsipy ny teninao. [Nicol 1935]
Dikanteny frantsay Vos paroles n’ont ni peau à ôter ni os à rejeter (sont nettes et claires). [Nicol 1935 #484]

Ohabolana Tsoka anatin’ ny taolana: izay manontona no mahazo ny tsirony. [Cousins 1871 #3329, Nicol 1935 #396]
Tsoka anatin' ny taolana, ka izay manontona no mahazo azy. [Rinara 1974 #4469]
Dikanteny frantsay Moelle à l’intérieur de l’os : il faut frapper et secouer pour pouvoir en goûter à l’aise. [Nicol 1935 #396]

Ohabolana Vavan’ alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [Cousins 1871 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [Rinara 1974 #4903]

Fizahan-teny