Fizahan-teny

Ohabolana : telina

Ohabolana Aza fatra-pitady ny manganana, fandrao sendra ny mangidy tsy telina. [Veyrières 1913]
Aza fatra-pitady ny manganana, tohatra ny mangidy tsy ho telina. [Veyrières 1913]
Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina. [Rajemisa 1985]
Fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy ho telina. [Cousins 1871 #946, Nicol 1935 #242]
Fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy telina. [Rinara 1974 #1151]
Ny fatra-pitady manganana ho sehatry ny mangidy tsy ho telina. [Rinara 1974]
Fanazavana malagasy Fatra-panihika ka nihatra amin' ny fotaka; nitady tombony ka natombiny; nitady sitrany ka nasitriny. [Rajemisa 1985]
Indraindray ny fikatsahana hahazo baba na tsaratsara kokoa dia vao mainka mety hampahita angano. [Rajemisa 1985]
Loza raha hitady ny mangidingidy ka nahita ny tena mangidy nampivivy, izany hoe loza raha hitady tombony, nefa fahavoazana indray no hita. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Ne cherchez pas trop les douceurs de la vie facile de peur de tomber sur une amertume insupportable. [Veyrières 1913 #3891]
Rechercher avec trop d' avidité ce qui est doux, et trouver ce qui est amer et impossible à avaler.. [Houlder 1895]
Trop chercher l'exquis; et rencontrer la dernière amertume. [Nicol 1935 #242]
Fanazavana frantsay Se disait de ceux qui cherchaient ce qui était le plus facile à la corvée et dans les travaux communs, et qui rencontraient tout le contraire. [Veyrières 1913 #3891]

Ohabolana Ny maty indray mandeha leo ihany, fa ny maty indroa no tsy tanty. [Veyrières 1913 #2902]
Ny maty indray mandeha leo ihany, fa ny maty indroa no tsy telina. [Veyrières 1913 #2902]
Dikanteny frantsay Mourir une fois est supportable, mais mourir pour la seconde fois est intolérable. [Veyrières 1913 #2902]
Fanazavana frantsay Ce proverbe était dit par ceux qui perdaient un procès ou avaient malheur sur malheur. [Veyrières 1913 #2902]

Fizahan-teny