Fizahan-teny

Ohabolana : tetika

Ohabolana Be tetika ohatra an-dRabejofo. [Rinara 1974 #884]

Ohabolana Lany tetika toa ondry bada. [Rinara 1974 #1744]
Lany tetika toa ondry momba. [Houlder 1895 #1862, Veyrières 1913 #916]
Dikanteny frantsay N' avoir aucun descendant comme une brebis stérile. [Veyrières 1913 #916, Houlder 1895]

Ohabolana Na ambony aza ny tetika izay takatry ny ananana ihany no vita. [Rinara 1974 #2644]

Ohabolana Na be aza ny tetika, ny an-tanana indray ve no hariana. [Rinara 1974]

Ohabolana Ny tetika tsy araka ny atao ary izay voakasa tsy ho vita avokoa. [Rinara 1974 #3297]

Fizahan-teny