Fizahan-teny

Ohabolana : toha

Ohabolana 1Aza tobatobaina ny vary, fa ny misambo-bary manetsa no tsy afaka. [2.165 #793, 2.415 #2357, 2.653 #714]
Aza tobatobaina ny vary, fa ny mitsidika an-tranon-drafy no tsy toha. [2.415 #2358]
Dikanteny frantsayNe dépensez pas inutilement le riz, car emprunter du riz à l' époque où l' on transplante le riz n' est pas chose facile. [2.415 #2357]
Ne dépensez pas inutilement le riz, car il est insupportable d' aller en demander à un rival. [2.415 #2358]
Ne gaspillez pas votre riz, car vous ne trouveriez pas à en emprunter le moment du repiquage venu. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des prodigues. [2.415 #1022]
Si on a dissipé ses biens, il n' y a plus qu' à mendier. [2.415 #2358]

Ohabolana 2Lehibe miana-poto-tsarika, koa sahirana. [1.1]
Lehibe vao miana-poto-tsarika, ka sahirana. [2.165 #1916, 2.415 #1642, 2.558 #1781]
Lehibe vao miana-poto-tsarika, koa sahirana. [2.653 #1362]
Tsy toha ny lehibe miana-poto-tsarika. [2.415 #1743]
Fanazavana malagasyEntimilaza ny olona izay efa lehibe vao mianatra manenona (na manao asa iray) ka mananosarotra aoka izany. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui apprend trop tard une chose même facile, comme le tissage des fibres de bananier, est fort embarrassé. [2.415 #1642]
Être vieille avant de commencer à apprendre à tisser les fibres de bananier, et être embarrassée. [2.165]
Apprendre trop tard à tisser les fibres du bananier, voilà qui est impossible. [2.415 #1743]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait qu'il fallait commencer de bonne heure ; il se disait aussi des choses difficiles à apprendre. [2.415 #1642]
C' est quand on est jeune qu' il faut apprendre. [2.165]
Il ne faut pas s' y prendre trop tard. [2.415 #1743]

Ohabolana 3Lehibe nangataka : ny miloa-bava mora ihany, fa ny mamerin-tanana tsy mahazo no henatra. [2.653]
Lehibe no mangataka : ny miloa-bava mora ihany fa ny mamerin-tanana no tsy toha. [2.558]

Ohabolana 4Ny anaovana lalan-driaka raha main' andro, ny fahavaratra no tsy toha ; ary ny amonoan-tena andavanandro, ny andro iray no tsy laitra. [2.415 #3133]
Dikanteny frantsaySi pendant la saison sèche on fait des travaux pour l' écoulement des eaux, c'est qu' il faut se garantir de la saison des pluies ; si on se tue de travail chaque jour, c'est qu' il y aura des jours de dépenses ou de disette. [2.415 #3133]
Fanazavana frantsayIl faut être prévoyant. [2.415 #3133]

Ohabolana 5Ny avonavona toy ny an' entan' anivona : ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy laitra. [2.558 #2912]
Ny avonavona toy ny entana anivona : ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha. [2.653]
Ny avonavona toy ny entan' anivona: ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha. [1.1]
Fanazavana malagasy(maivana ny anivona ka ahazakana be na atao anentana lolohavina na lanjaina, saingy manonjanonja kosa ka mahasosotra): tsy mampaninona loatra ny fanambonian-tenan' ny mpiavonavona, fa ny fahitana ny fihetsiny miedinedina no mahaletra. [1.1]

Ohabolana 6Ny fangaraka no kely andilana, mafy ny isan-jato. [2.415 #381, 2.558 #2961, 2.653 #2214]
Ny vano no lava tenda, mafy ny olom-pehezina ary ny fangaraka no kely andilana, ny isan-jato no tsy toha. [2.558 #3354]
Ny vano no lava tenda, mafy olom-pehezina. [2.415 #671]
Ny vano no lava tenda, mafy olom-pehezina; ny fangaraka no kely andilana, ny isan-jato no tsy tanty. [2.653 #2465, 1.1]
Fanazavana malagasyNy raharaha rehetra – na ny an' ny mpitondra na ny olona entina – dia samy mampiferin' aina ny mpanao azy avokoa (ny isan-jato dia fanompoana izay nifampizaran' ny olona tsizatozato ny manao azy). [1.1]
Dikanteny frantsaySi l' abeille maçonne a la taille étranglée, c' est que la corvée est dure. [2.415 #381]
Si le héron a le cou long, c'est que les gens qu' il gouverne sont difficiles à mener. [2.415 #671]
Fanazavana frantsayLes chefs pâtissent lorsqu' ils ont des subordonnés par trop difficiles. [2.415 #671]
Se disait de la corvée et de tout travail pénible. [2.415 #381]

Ohabolana 7Ny goaika no fotsy tenda dia mpingoso reny tsy toha. [2.558 #196]
Ny goaika no fotsy tenda: mpingoso reny tsy toha. [2.653 #2243]

Ohabolana 8Ny mangataka am-bava leo ihany, fa ny mangata-maso no tsy tanty. [2.165 #2240, 2.415 #5124, 2.653]
Ny mangataka am-bava leo ihany, fa ny mangata-maso no tsy toha. [2.558 #3113]
Dikanteny frantsayDemander en paroles n' est pas terrible, mais mendier (approbation ou compliments) du regard (et ne rien obtenir!) est insupportable. [2.165 #2240]
On peut résister à celui qui demande en paroles ; on ne résiste pas à celui qui demande avec les yeux. [2.415 #5124]
Fanazavana frantsaySe disait de la passion. [2.415 #5124]

Ohabolana 9Ny tenain-doza leo ihany, fa ny iantsampazan-doza no tsy toha. [2.415 #2651]
Ny tenain-doza leo ihany, fa ny itsipihan-doza no tsy toha. [2.558 #3273]
Ny tenain-doza leo ihany, fa ny lantsampazan-doza no tsy toha. [2.165 #1059]
Dikanteny frantsayÊtre malheureux c' est supportable, mais quand le malheur arrive à l' improviste, c' est intolérable. [2.415 #2651]
Il est supportable d' être habituellement dans le malheur, mais quand il se jette sur vous à l' improviste, c' est terrible. [2.165]

Ohabolana 10Ny teny aza atao lava loatra fa ny mamerina azy no tsy toha. [2.558 #211]

Ohabolana 11Ny tompon' alahelo leo ihany, fa ny mpamendrofendro no tsy tanty. [2.165 #1027, 2.415 #2911, 2.653]
Ny tompon' alahelo mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no tsy toha. [2.558 #3311]
Dikanteny frantsayPasse encore pour le chagrin des proches parents du défunt, mais ce qui rend la douleur insupportable, ce sont les pleureuses et pleureurs qui amènent les larmes aux yeux. [2.415 #2911]
Voir (la douleur de) ceux qui viennent de perdre l' un des leurs est supportable, mais les pleureurs (officiels) sont insupportables. [2.165 #1027]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui par leurs paroles ou leurs procédés aggravent le malheur. [2.415 #2911]

Ohabolana 12Ny tsongo tsy hita fery no tsy toha. [2.165 #2076, 2.415]
Dikanteny frantsayÊtre pincé sans qu' on en voie la marque (litt. blessure) est insupportable. [2.165]
Il est insupportable d' être pincé, sans qu' on en voit la marque. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de l'hypocrisie. [2.415 #5031]

Ohabolana 13Ny voliko lanin' ny osy leoko ihany fa ny fidingin' ny rambony no tsy toha. [2.558 #3368]
Ny voliko lanin' ny osy leoko ihany, hoy Rafotsibe, fa ny fidingin' ny rambony no tsy zakako. [2.415 #1889, 2.653]
Dikanteny frantsayQue le bouc ait ravagé mon jardin c' est encore supportable, mais ce que je ne peux pas souffrir c' est la manière dont il dresse sa queue. [2.415 #1889]
Fanazavana frantsayLa fierté de celui qui porte tort et sa manière de procéder, sont plus insupportables que le tort lui-même. [2.415 #1889]

Ohabolana 14Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana. [1.1]
Toho latsaka am-bovo : mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.415 #3307]
Toho niditra am-bovo : mazava nidirana, fa maizina hivoahana. [2.415 #3307]
Toy ny toho miditra am-bovo, ka mazava idirana fa maizin-kivoahana. [2.558 #4339]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.653 #3239, 2.974 #234]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava idirana, fa maizina ivoahana. [2.165 #1142]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mora sodokan-drendrarendra ka loza no miandry azy vokatr' izan. [1.1]
Dikanteny frantsayComme le toho entré dans la nasse : route claire pour entrer, moins claire quand il s’agit de sortir. [2.974 #234]
Pareil au poisson qui entre dans la nasse: c' est facile (litt. clair) d' y entrer, mais difficile (litt. sombre) d' en sortir. [2.165 #1142]
Poisson toho dans la nasse : le chemin pour entrer est facile à trouver mais la sortie est difficile. [2.415 #3307]
Fanazavana frantsayLes commencements sont faciles, mais plus difficile la fin. [2.415 #3307]

Ohabolana 15Toy ny mitondra sokona : ny fitondrana maivana ihany, fa ny anjananjana no tsy toha. [2.415 #827]
Dikanteny frantsayC' est comme de porter des pièces de bois qui servent à protéger le bord des toits : elles ne sont pas d' un grand poids, mais leur longueur est insupportable. [2.415 #827]
Fanazavana frantsayCes paroles étaient dites par ceux qui avaient à leur charge des gens à mauvaise langue : les nourrir, passe encore ; mais supporter leur mauvaise langue, voilà le difficile. [2.415 #827]

Ohabolana 16Tonom-bomangan' ny Merinatsimo : ny kapo-body leo ihany, fa ny tery valahana no tsy toha. [2.415 #4606]
Tonom-bomangan' ny Merinatsimo: ny kapo-body leo ihany, fa ny tory valahana no tsy toha. [2.165]
Dikanteny frantsayLe rôtissage des patates des gens du sud de l' Imerina: il leur est facile de frapper sur le gros bout (des patates, pour voir si elles sont cuites), mais les serrer au milieu (où il y a un rétrécissement) est insupportable (parce qu' elles crèvent). [2.165]
Patates rôties des gens qui sont au sud de l' Imerina : on peut les frapper sur le gros bout pour voir si elles sont cuites ; mais on ne peut pas les serrer par le milieu, car elles crèvent. [2.415 #4606]

Ohabolana 17Tsy misy hofitahin-tsy ho azo, fa ny hiverenan' ny atao no tsy toha. [2.558 #4715]

Ohabolana 18Tsy toha ny tevi-dohan' ny madinika. [2.415 #694, 1.1]
Fanazavana malagasyMahasahiran-tsaina ny lehibe ny faninian' ny madinika. [1.1]
Dikanteny frantsayIl est difficile aux grands de supporter les maux de tête qui leur viennent des petits. [2.415 #694]
Fanazavana frantsayLes reproches et critiques des petits sont insupportables aux grands. [2.415 #694]

Ohabolana 19Voalavo latsaka an-kentona, ka ny halavoana leo ihany, fa ny akoralavan' ny olona no tsy toha ; hitraka moa tsy avelan' ny henatra ; hiondrika, tsy avelan' ny voninahitra. [2.415 #6053]
Voalavo mianjera an-kentona: ka ny halavoana leo ihany, fa ny horakora-bahoaka no tsy toha. [2.165 #1036]
Voalavo nianjera an-kentona : ny halavoana leo ihany, fa ny horakora-bahoaka no tsy toha. [2.558]
Dikanteny frantsayRat qui tombe de très haut : passe pour la chute, mais ce qui est insupportable ce sont les huées des gens qui sont là. [2.415]
Un rat tombé d' une poutre: sa chute est supportable, mais non les cris des gens (qui sont dans la case). [2.165]

Fizahan-teny