Fizahan-teny

Ohabolana : tondraka

Ohabolana 1Izay tondraka anio manan-jara, fa izay ampitso ka hitanao ! [2.974 #496]
Izay tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka hitanao. [2.415 #2709]
Izay tondraka anio manan-jara; izay ho ampitso ka ho hitanao. [1.1]
Tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka ho hitanao. [1.1]
Fanazavana malagasyFitenin' ireo manaram-po indray andro amin' ny be ananany fa tsy miraharaha na mitsinjo izay ho avy. [1.1]
Fitenin' ireo mpirobaroba izay tsy mitsinjo ny ho avy fa faly ny handany anio izay azo anio ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui jouit de l' abondance aujourd' hui a de la chance, car le jour de demain est incertain. [2.415 #2709]
Heureux ceux qui sont arrosés aujourd’hui ; car qui peut prévoir ce que sera demain ! [2.974 #496]

Ohabolana 2Ny ony no tondraka dia ao ny tatatra manampy azy. [2.558 #3204]
Ny ony no tondraka, ny tatatra no manampy azy. [2.415 #668, 2.653 #2387]
Dikanteny frantsaySi le fleuve déborde c' est que les petits canaux l' ont aidé. [2.415 #668]
Fanazavana frantsayLes petits ont aidé à la fortune des grands. [2.415 #668]

Ohabolana 3Reniranon' Imahajamba, ka tondraka mamorivory, ritra mampiseho fasika. [2.558 #3752]

Ohabolana 4Very Ivoara fa tondraka Ivarahina. [2.415 #3161, 2.653 #3667]
Very Ivoara, ka tondraka Ivarahina. [2.558 #4942, 2.165]
Dikanteny frantsayIvoara est dans le malheur car la rivière Varahina déborde par suite d' inondation. [2.415 #3161]
Ivoara s' est égaré et la rivière Ivarahina a débordé. [2.165]
Fanazavana frantsayFâcheuse coïncidence! Ivoara serait le nom d'un bœuf, et il est difficile de se mettre à sa recherche à cause de l'inondation. [2.165]
Ravages de l' inondation ; d' autres prétendent qu' Ivoara était le nom d' un boeuf perdu, et que l' inondation empêchait d' aller à sa recherche. [2.415]

Fizahan-teny