Fizahan-teny

Ohabolana : tsiny

Ohabolana 1Amalom-boasira, ka tsy misy tsiny intsony. [2.415 #5494, 2.653 #117]
Amalom-boasira ka tsy misy tsininy intsony. [2.558 #147]
Dikanteny frantsayDonnez de l' anguille salée, et il n' y a plus de défauts. [2.415 #5494]
Fanazavana frantsayLes cadeaux couvrent des défauts. [2.415 #5494]

Ohabolana 2Andriamanitra tsy omen-tsininy, Zanahary tsy omem-pondro, fa ny olombelona no be siasia. [2.415, 2.558]
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro ; fa ny olombelona no be siasia. [2.653 #206, 2.974 #50]
Dikanteny frantsayDieu est sans reproche, le Créateur est sans malice ; mais c’est l’homme qui ne tient pas en place. [2.974 #50]
En Dieu il n' y a aucune faute, dans le Créateur il n' y a pas de défaut ; c' est aux hommes qu' appartiennent les fautes et les erreurs. [2.415 #12]

Ohabolana 3Aza atao famaky manan-tsiny amin’ izay kiakiak’ akoho. [2.165 #156, 2.653 #340]
Aza atao famaky manan-tsininy amin' izay kiakiak' akoho. [2.415]
Aza atao famaky manan-tsininy amin' izay kiakiakan' akoho. [2.558]
Dikanteny frantsayCe n' est pas à la hache qu' il faut faire des reproches quand le poulet (qu' on va tuer) crie. [2.165]
Ne le blâmez pas comme la hache qu' on blâmerait parce que le poulet crie. [2.415 #618]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas écouter les fausses dénonciations, et blâmer le chef qui fait son devoir et est obligé de punir. [2.415 #618]

Ohabolana 4Aza manome tsiny ny havana fa ny vitanao no tadidio. [2.558 #694]

Ohabolana 5Basy tapaka talata : tsy ananan-tsininy. [2.558]

Ohabolana 6Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra (akotry) ary lohan' omby tsy ilaozan-delany. [2.558 #1203]
Fotsimbary tsy ilaozan’ akatatra ; lohan’ omby tsy ilaozan-delany. [2.653 #991]
Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra, lohan' omby tsy ilaozan-delany, teny maro tsy ilaozan' ny ota. [2.415]
Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala. [1.1 #42]
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala. [1.1]
Fanazavana malagasyNa aiza na aiza tsy maintsy ahitana olona hafahafa miavaka amin' ny maro ihany. [1.1 #42]
Tsy maintsy misy tsininy kely fa tsy tsara tanteraka akory. [1.1]
Dikanteny frantsayDans du riz blanc, il reste toujours des grains non décortiqués; dans une tête de boeuf, il y a toujours une langue ; dans un long discours il y a toujours quelques fautes. [2.415]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas demander l' impossible. [2.415 #5752]

Ohabolana 7Jereo ny atao vao manome tsiny. [2.415 #6504]
Dikanteny frantsayExaminez bien avant de censurer, et regardez-vous vous-même. [2.415 #6504]

Ohabolana 8Mandihy be volon-kelika : mahay manan-tsiny, tsy mahay manampondro. [2.653 #1588]
Mandihy be volon-kelika : mahay manan-tsiny, tsy mahay manan-tsiny. [2.415 #1776]
Mandihy lava volon-kelika: mahay, manan-tsiny; tsy mahay, manan-tsiny. [2.165]
Mpandihy lava volon-kelika : mahay, manan-tsiny ; tsy mahay, manan-tsiny. [2.415 #1776, 2.653 #1964]
Mpandihy lava volon-kelika : mahay misy tsininy, tsy mahay manan-tsiny rahateo. [2.558 #2585]
Dikanteny frantsayDanser avec de longs poils sous les bras (et en les laissant voir): ceux qui savent danser sont répréhensibles, et ceux qui ne savent pas le sont aussi. [2.165]
Quand une femme en dansant laisse apercevoir des aisselles par trop velues, elle est sûre d' être toujours critiquée, qu' elle sache ou qu' elle ne sache pas danser. [2.415 #1776]
Fanazavana frantsayLes premiers le sont à cause de leur manque de pudeur, et les seconds parce qu' ils ne devraient pas se mêler de faire ce qu' ils ne savent pas. [2.165]
Se disait des personnes qui sont critiquées tout en agissant bien, parce quelles ont laissé voir un défaut quelles auraient dû cacher. [2.415 #1776]

Ohabolana 9Mizara be mahahendry, mizara kely maha-adala (ahazoana tsiny). [2.558 #2531]
Mizara be mahahendry, mizara kely mahadala, mandidy taolana mahadombo antsy. [2.165 #1621, 2.415 #3207]
Dikanteny frantsayCelui qui distribue beaucoup est appelé sage, celui qui distribue peu est appelé sot ; couper un os avec un couteau émousse le couteau. [2.415 #3207]
Quand on distribue beaucoup, on est traité de sage; quand on distribue peu, on est traité de sot; couper un os avec un couteau émousse ce dernier. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas être chiche. [2.415 #3207]

Ohabolana 10Mpanao soa am-po ka ihandronan' ny tsiny. [2.558 #166]

Ohabolana 11Ny tenda toy ny razan-dratsy: omem-be, tsy mahatahy; omen-kely, manome tsiny. [2.653]
Ny tenda toy ny razan-dratsy : omem-be tsy mitahy, omen-kely manome tsiny. [2.558 #3274]

Ohabolana 12Ny tokan-trano tsy ahahaka. [2.653 #2504, 2.974 #63]
Tokan-trano tsy ahahaka. [2.974 #135]
Tokantrano tsy ahahaka, tsiny tsy aderadera. [2.558 #4156]
Dikanteny frantsayLes affaires de ménage ne se publient pas (laver son linge sale en famille). [2.974 #63]
L’intérieur du ménage ne s’étale pas en public. [2.974 #135]

Ohabolana 13Ny tsiny azo sorohina, fa ny tody tsy misy fanafana. [1.1]
Ny tsiny no azo alana fa ny tody tsy misy fanafana. [2.558 #215]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny tsiny dia azo alana raha mis-la tsiny ianao, fa ny tody kosa tsy maintsy mihatra satria, noho ny mahavalin' ny ratsy natao azy, dia tsy azo sakanana izy, toy ny ako tsy maintsy mamerina ny feo. [1.1]

Ohabolana 14Ny tsiny fandravana fa ny saotra fitomboana. [2.558 #213]

Ohabolana 15Ny tsiny lala-malama : izay tsy miala no lavo. [2.415 #3604]
Dikanteny frantsayLe chemin du blâme est glissant : qui ne s' en détourne pas y tombe. [2.415 #3604]
Fanazavana frantsayFormule pour ce qui doit suivre dans un discours. [2.415]

Ohabolana 16Ny tsiny maiva-mavesatra. [2.558 #214]

Ohabolana 17Ny tsiny toy ny rano an' ambo: tsy hita koa mahavoa. [1.1 #61]

Ohabolana 18Ny tsiny toy ny rivotra : mikasika ny tena fa tsy hita tarehy. [2.165 #150, 2.415 #6482, 2.558 #3335, 2.653 #2526]
Dikanteny frantsayLe blâme, c' est comme le vent : il touche et on le sent, mais on ne le voit pas. [2.415 #6482]
Le blâme est comme le vent: on le sent sans le voir. [2.165 #150]

Ohabolana 19Ny tsiny tsy mba mivongovongo tahaka ny rahona, fa misokosoko tahaka ny fanala, tsy hita ka mahangoly. [2.653 #2456, 2.974 #275]
Ny tsiny tsy mba mivongovongo tahaky ny rahona, fa misokosoko tahaky ny fanala, tsy hita ka mahangoly. [2.415 #6432]
Ny tsiny tsy mivongovongo ohatra ny rahona, fa misokosoko toy ny fanala, nefa mahangoly. [2.558]
Dikanteny frantsayLes blâmes secrets ne s’amoncellent pas en flocons comme les nuages; ils s’insinuent comme le froid : vous n'apercevez rien, et vous voilà transi. [2.974 #275]
Le sentiment de la culpabilité, cela ne se montre pas comme un amas de nuages, mais cela vient comme de la gelée blanche qu' on ne voit pas et qui engourdit. [2.415 #6432]

Ohabolana 20Ny vady hariam-be tsiny. [2.415 #1394, 2.653 #2459]
Ny vady hariana maro tsiny. [2.558]
Vady nariana maro tsiny, ary izay tsy tiana toa be molotra. [2.558 #316]
Vady tsy hariam-be tsiny. [2.653]
Vady tsy hovadim-be tsiny. [2.415 #1246, 2.653]
Vady tsy tiana be tsiny. [2.415 #1353]
Dikanteny frantsayA femme qu' on veut répudier on trouve beaucoup de défauts. [2.415 #1394]
A l' époux ou l' épouse qu'on n' aime plus on trouve bien des défauts. [2.415 #1353]
A une personne qu' on ne veut pas épouser on trouve beaucoup de défauts. [2.415 #1246]
Fanazavana frantsaySe disait aussi de ceux qui critiquent les affaires des autres. [2.415 #1246]
Se disait aussi des autres personnes que les époux, et même de toutes les choses qu' on n'aimait pas. [2.415 #1353]

Ohabolana 21Omby maty an-tsena: ny mahia manana adidy, ary ny matavy manana antsa. [2.653 #2552]
Omby maty an-tsena : ny mahia manana adidy, ny matavy manana antsa, (tsiny). [2.558 #221]

Ohabolana 22Petak' orona sy dondon-kandrina : ny iray iva tsy anomezan-tsiny, ny iray avo tsy anomezam-pondro, fa izay vitan-Janahary ifaliana. [2.558 #3491]

Ohabolana 23Raha tsy manao be fondro, manao be tsiny. [2.165 #152]
Raha tsy manao : be fondro, nony manao anefa be tsiny! [2.558 #3671]
Tsy manao, be fondro ; manao, be tsiny. [2.415 #6490, 2.653 #3376]
Tsy manao be fondro, nony manao be tsiny. [2.558 #4527]
Dikanteny frantsaySi l' on ne mérite pas beaucoup de blâme, on mérite beaucoup de reproches. [2.165]
Si on n' agit pas, on est accablé de blâmes, si on agit on est accablé de critiques et de censures. [2.415 #6490]
Fanazavana frantsayQuoi qu' on fasse on a toujours tort. [2.415 #6490]

Ohabolana 24Tsy misy mahita kilema momba tena. [2.165 #136, 2.653]
Tsy misy mahita kilema momba tena, na tsiny amin' olon-tiana. [2.558 #4723]
Dikanteny frantsayNul ne s' aperçoit de ses propres défauts. [2.165]

Ohabolana 25Tsy rafozana toa bohaka. [2.415 #1481]
Vady hariana be tsiny; zanak' olon-tsy vadina toa soa; tsy rafozana toa bohaka. [2.165 #1809]
Zanak' olon-tsy vadiana toa soa, vady hariana be tsiny, tsy rafozana toa bohaka. [2.558 #5085]
Dikanteny frantsayOn trouve beaucoup de défauts à une femme qu' on veut divorcer; une jeune fille qu' on n' a pas encore paraît charmante; une femme qui n' est pas (encore) votre belle-mère semble facile à vivre. [2.165]
Une femme qui n' est pas encore votre belle-mère, semble être d' un bon caractère. [2.415 #1481]

Ohabolana 26Vady ananan-doloha, adidy hananana tsiny. [2.558 #310]

Ohabolana 27Vehivavy tsara tarehy petaka orona : voantondro iray monja no tsininy. [2.415 #1794, 2.653 #3656]
Vehivavy tsara tarehy petaka orona, voantondro iray no tsininy. [2.415 #1601]
Vehivavy tsara tarehy petaka orona: voatondro iray monja no tsininy. [2.165 #1298]
Vehivavy tsara tarehy petak' orona : ilany kely no tsininy. [2.558 #4917]
Zazavavy soa petaka orona: voantondro iray no tsininy. [2.415 #1601, 2.653 #3785]
Zazavavy tsara voavitsy petak' orona : voatondro iray no tsininy. [2.558 #5099]
Dikanteny frantsayFemme jolie mais qui a le nez camus : il ne s' en faut que d' un travers de doigt pour qu'elle soit parfaite. [2.415 #1794]
Jeune fille agréable ou femme au joli visage avec le nez camus : il ne s' en faut que d' un travers de doigt pour quelle soit parfaite. [2.415 #1601]
Une belle femme avec un nez écrasé: elle n' a qu' un tout petit défaut. [2.165]
Fanazavana frantsayBien difficilement tout est parfait ; ce proverbe se disait des choses qui n' avaient qu' un léger défaut. [2.415 #1601]

Fizahan-teny