Fizahan-teny

Ohabolana : vantotr' omby

Ohabolana Vantotr' omby minono : tsy homan-doza fa mahatsiahy ny ela. [Rinara 1974 #4856]
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela. [Cousins 1871 #3611, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fanaovan-javatra tsy fahita, izay tsy milaza loza akory fa fahatsiarovana ny fanao fahiny mahamanimanina fotsiny. [Rajemisa 1985]
Indraindray misy zavatra heverina ho toa hafahafa, mandoza, sns..., nefa tsy inona fa fihetsehampo misendaotra. [Rajemisa 1985]

Fizahan-teny