Fizahan-teny

Ohabolana : varidimiventy

Ohabolana Tsy manan-kamidy, ka manontany, ambatry iray ka avezivezy, variraiventy ka omem-bazo. [Rinara 1974 #4525]
Tsy manan-kamidy, ka manontany ; varidimiventy, ka avezivezy. [Veyrières 1913 #4409, Cousins 1871 #3374]
Dikanteny frantsay On n' a pas de quoi acheter et on demande le prix, on n' a que quelques centimes et on les promène partout. [Veyrières 1913 #4409]
Fanazavana frantsay Se disait des vaniteux et des fanfarons. [Veyrières 1913 #4409]

Ohabolana Varidimiventy namidy takotra, ka varo-maty mandrakizay. [Rinara 1974 #4860]
Varidimiventy namidy takotra : varo-maty mandrakizay. [Cousins 1871 #3624]

Ohabolana Varidimiventy namidy trafonokena. [Rajemisa 1985]
Varidimiventy namidy vozon-kena. [Rajemisa 1985]
Varidimiventy namidy vozon-kena : kely ihany fa misavily any am-bozony. [Rinara 1974 #4861]
Varidimiventy namidy vozon-kena: kely ihany fa misavily any an-katony. [Houlder 1895 #1365, Cousins 1871]
Fanazavana malagasy Kely ihany fa misavily any an-katony; kely ihany fa lasana ambony: ilazana zavatra kely jerena toa tsy inona, nefa nahazoana na nahavitana zava-dehibe. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Pour un sou de viande du cou: ce n' est qu' un petit morceau, mais il se balance sur la nuque (du bœuf, quand il est vivant). [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce morceau occupe une position proéminente. [Houlder 1895]

Fizahan-teny