Fizahan-teny

Ohabolana : voatohina

Ohabolana Aty sy afero, ka izay voatohina, maharary. [Veyrières 1913 #1054]
Dikanteny frantsay Foie et bile : touchez le foie et la bile est remuée. [Veyrières 1913 #1054]
Fanazavana frantsay Chacun ressent les malheurs de ses parents. [Veyrières 1913 #1054]

Ohabolana Raha tohina ny aty, marary ny afero. [Rajemisa 1985 #637]
Raha voatohina ny aty, marary ny afero. [Rajemisa 1985 #28, Veyrières 1913 #994, Rinara 1974 #3682, Cousins 1871 #2727]
Fanazavana malagasy Ohabolana enti-milaza fifandraisan-javatra roa samy hafa ka izay mahazo ny iray dia mahavoa ny ilany koa. [Rajemisa 1985 #637]
Raha misy havana na sakaiza voateny na asian' ny sasany, ny tena avy no mahatsiaro mararirary. [Rajemisa 1985 #28]
Dikanteny frantsay Si on touche au foie, la bile remue. [Veyrières 1913 #994]
Un choc sur le joie irrite la bile. [Nicol 1935 #422]
Fanazavana frantsay Les membres d' une famille sont tellement unis, que toucher les uns c' est rendre les autres malades. [Veyrières 1913 #994]

Ohabolana Tsy mety raha manao fiainan-tsokina, ka vao voatohina kely dia mivonkina. [Rinara 1974 #4615]

Fizahan-teny