Fizahan-teny

Ohabolana : vola

Ohabolana 1Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana. [2.415 #4103, 1.1]
Aleo very tsikalakalan-karena, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. [2.165 #171, 2.653 #114]
Fanazavana malagasyAleo very vola toy izay tapaka fihavanana; nentin' ny Ntaolo hilazana fa ny fihavanana dia zavatra sarobidy miohatra noho ny vola. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux perdre son argent que de perdre les usages et les détails qui maintiennent et fortifient l'union et l' amitié. [2.415 #4103]
Il vaut mieux que ce soit la bourse qui souffre un peu, plutôt que les amitiés. [2.165]

Ohabolana 2Aza manao hoatry ny mpitondra tsitialainga mitondra vola ratsy, ka izy hanidy indray no hamaha. [2.415 #623]
Aza manao ohatra ny mpitondra tsitialainga mitondra vola ratsy, ka izy hanidy indray no hamaha. [2.653]
Aza manao ohatra ny tsitialainga mitondra vola ratsy, ka izy hanidy indray no mamaha. [2.558 #549]
Tsitialainga mitondra vola ratsy, ka ny hanidy indray no voahidy. [2.558 #4462]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le messager royal, porteur de la lance d' argent appelée : celle qui n' aime pas le mensonge. [2.415 #623]

Ohabolana 3Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [2.558]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [2.415 #1439, 2.653 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [2.558 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [2.415 #1440, 2.653 #644]
Dedaka tonga rafozana : akoho no hovonoina ka telo lahy no asaina mitsangana. [2.558 #974]
Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [2.558]
Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.165]
Dedaka tonga rafozana : trano bongo ka asiam-pandri-baratra ; akoho ka nindramam-pamaky ; vola venty ka ampanjanahina ; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.415 #1442]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [1.1]
Fanazavana malagasyMihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [1.1]
Dikanteny frantsayFanfaron qui reçoit ses beaux-parents : il n' a qu' une cabane et il y met un paratonnerre ; il n' a qu' un poulet et il emprunte une hache à découper ; il n' a que 80 centimes et il les prête à intérêt ; il n' a qu' un sou et il l' enveloppe trois fois. [2.415 #1442]
Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [2.415]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [2.415 #1439]
Un vantard recevant la visite de ses beaux-parents: sa maison n' est qu' une cabane et il y met un paratonnerre; il n' a qu' un poulet (à offrir), et il emprunte une hache (comme s' il avait du bœuf); il n' a que quatre-vingts centimes, et il les prête à intérêt: un sou, et il l' enveloppe trois fois. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [2.415 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [2.415 #1440]

Ohabolana 4Faly loatra aho, ka tsy jabako intsony ny vola ho lany. [2.415 #5535]
Dikanteny frantsayJe suis tellement content que je ne regarde plus aux dépenses. [2.415 #5535]

Ohabolana 5Fotsy tsy miohatra ny bobo, ody fitia tsy miohatra ny vola. [2.558]
Ny fotsy tsy miohatra ny bobo, ary ody fitia tsy miohatra ny vola. [2.165, 2.415]
Dikanteny frantsayRien n' est plus blanc que le blanc, et aucun philtre d'amour ne dépasse l' argent. [2.415 #2221]
Rien n' est plus blanc que le blanc pur, et aucun philtre d' amour ne surpasse l' argent. [2.165 #741]

Ohabolana 6Gadran' ny Manendy : vola no mamaha azy. [2.558]
Gadran' ny Manendy, vola no manaha. [2.415 #551, 2.653 #996]
Dikanteny frantsayLiens des serfs royaux Manendy : l' argent seul peut les défaire. [2.415 #551]
Fanazavana frantsaySe disait des affaires qui ne pouvaient pas se traiter sans argent. [2.415 #551]

Ohabolana 7Harena avalan-drano sahala amin' ny vola amidy savony. [2.558 #1278]
Harena mivalan-drano, tahaka ny vola amidy savony. [2.653 #1035, 2.974 #246]
Harena mivalan-drano, tahaky ny vola amidy savony. [2.415 #2364]
Dikanteny frantsayArgent jeté à l' eau, c' est comme l' argent qui sert à acheter le savon. [2.415 #2364]
Richesse jetée à l’eau, comme l’argent donné pour acheter du savon. [2.974 #246]

Ohabolana 8Haren-kiadiana voamena, ka haren-kaloa vola folo. [2.653]
Haren-kiadiana voamena, ka lany vola folo. [2.653]
Haren-kiadiana voamena, ka no handaniana vola folo! [2.558 #1280]

Ohabolana 9Hisy hifono vola ve iny, raha maty ka ! [2.415 #2367]
Dikanteny frantsayEst-ce qu' on s' enveloppera d' argent à la mort ! [2.415 #2367]
Fanazavana frantsayCes paroles étaient dites des avares par les gens plutôt portés à dépenser. [2.415 #2367]

Ohabolana 10Izay malaky mianiana manam-bola ratsy. [2.165 #1180]
Izay malaky mianiana, tompom-bola ratsy. [2.558 #1500]
Ny malady mianiana tompom-bola ratsy. [2.558 #3095, 2.653 #2314]
Dikanteny frantsayCelui qui jure facilement doit avoir de la mauvaise monnaie. Celui qui est honnête n' a pas besoin de jurer, ce qui ne sert qu' à mettre les gens sur leur garde. [2.165]
Fanazavana frantsayQui s' excuse (ici, qui jure), s' accuse. [2.165]

Ohabolana 11Izay manana-tsira, mahay mahandro, izay tiam-bady mahay miteny. [2.558 #103]
manana-tsira ka mahay mahandro. [2.165 #1600, 2.974 #284]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miresaka. [2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miteny. [2.653 #1523, 2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady, ka mahay miteny, be vola ka maro mpankasitraka. [2.558]
Tiam-bady, ka mahay miresaka; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady, ka mahay miteny; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady ka mahay miteny, tsara rafozana ka mihaminkamina. [2.558 #4132]
Dikanteny frantsayEtre bon cuisinier parce qu’on a du sel. [2.974 #284]
Qu' a du sel fait bonne cuisine, qui possède l' amour de son époux sait parler. [2.415 #1293]
Quand on a du sel, on peut faire la cuisine. [2.165 #1600]
Fanazavana frantsayOn réussit quand on a ce qu' il faut. [2.415 #1293]

Ohabolana 12Kambotim-bola aman-karena. [2.415 #2498]
Dikanteny frantsayLe pauvre est un orphelin abandonné par l' argent et les richesses. [2.415 #2498]

Ohabolana 13Kitapo tama-misy vola, ka raha mikorintsam-poana mahamenatra. [2.165]
Kitapo tama-misy vola : raha mikorintsam-poana, mahamenatra. [2.415 #2504, 2.653 #1271, 2.558]
Dikanteny frantsaySac habituellement rempli d' argent : s' il vient à retentir du vain bruit d' autres objets, c' est pour lui un sujet de honte. [2.415 #2504]
Un sac où il y avait de l' argent d' habitude, fait honte (à son propriétaire) quand il sonne à vide. [2.165]
Fanazavana frantsayIl faut comprendre qu' il contient quelque chose qui sonne, mais ce ne sont plus des pièces d' argent. [2.165]
Se disait des riches ruinés qui gardent encore leurs apparences. [2.415 #2504]

Ohabolana 14Mahita vola alohañi ty biby. [1.68]
Mahita volana alohan' ny biby. [2.415 #353, 2.558 #1890, 2.653 #1430, 2.165]
Dikanteny frantsayRépandre de faux bruits et en remontrer aux sages et aux chefs, c' est comme si on prétendait voir la lune avant les animaux. [2.415 #353]
Voir la lune avant les animaux. [1.68, 2.165]
Fanazavana frantsayÊtre vantard. [1.68]
Les Malgaches croyaient que les animaux apercevaient la lune avant les hommes, aussi appelaient-ils le second jour de la lune : le jour où les animaux voient la lune hitam-biby ny volana ; ce proverbe dans son sens général signifiait : prétendre en remontrer à plus habile que soi. [2.415 #353]
Se dit de quelqu' un qui discourt sur une chose dont il ne sait rien. Les Malgaches croient que les animaux, ayant meilleur vue, voient la nouvelle lune dès le second jour du mois, alors qu' eux mêmes ne l' aperçoivent que le troisième. [2.165]

Ohabolana 15Malahelo miantsena: izay mangirana rehetra atao ho vola avokoa. [2.415 #2515, 2.653 #1448]
Malahelo miantsena : izay rehetra mangirana toa vola daholo. [2.558 #1916]
Dikanteny frantsayPauvre qui va au marché : tout ce qui brille dans la poussière, il croit que c' est de l' argent. [2.415 #2515]
Fanazavana frantsayIl est ébloui de tout. [2.415 #2515]

Ohabolana 16Mamaky vilany an-tsena : manalady, mandoa vola kely ihany ; miezaka maina, afaka ihany. [2.415 #4389, 2.653]
Mamaky vilany an-tsena : manalady, mandoa vola kely, miezaka amin' izao afaka ihany. [2.558 #1940]
Dikanteny frantsayQuand on casse des pots au marché, si on s' excuse, on paie tout de même une petite somme ; mais si on s' en va en toute hâte, on est quitte. [2.415 #4389]
Fanazavana frantsayLa ruse l' emporte sur la loyauté. [2.415 #4389]

Ohabolana 17Mamy ny vola. [2.415 #2203]
Dikanteny frantsayL' argent est doux. [2.415 #2203]
Fanazavana frantsayIl est agréable d' avoir de l' argent. [2.415 #2203]

Ohabolana 18Manana vary tsy ho tojo mosary, mahazoa vola ho lavitry ny henatra. [2.558 #1978]

Ohabolana 19Maro vola ka hararavo. [1.68]
Dikanteny frantsayBeaucoup de paroles comme l'accordéon. [1.68]

Ohabolana 20Maso mahita vola. [2.415 #4392]
Dikanteny frantsaySon oeil voit l' argent et il cède l' objet. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui ne peuvent pas résister à la vue de l' argent, et cèdent l'objet en voyant le prix. [2.415 #4392]

Ohabolana 21Mihambohambo tsy tia karama, kanefa raha tsy ny vola, mitomany. [2.653 #1763]
Mihambo tsy tia karama, nefa raha tsy ny vola, mitomany. [2.558 #2311]

Ohabolana 22Ny aina Ramangatahina, ny vola Ramangatadiavina. [2.558 #182]

Ohabolana 23Ny alika jamban' ny taolana, ny olona jamban' ny vola. [2.558 #2855]

Ohabolana 24Ny be vola maro sakaiza ary ny harena mampitombo tarehy. [2.558 #2921]

Ohabolana 25Ny faniriana telo an-dalana, nefa ny vola vakiny tokana. [2.558]

Ohabolana 26Ny firaka no tsy mba vola dia ny lemim-panahiny. [2.558 #2992]
Ny firaka no tsy mba vola: ny lemim-panahiny. [2.165 #381, 2.415 #6001, 2.653 #2230, 1.1]
Fanazavana malagasyMisy olona tsy tonga eo amin' ny fitondrana noho izy malemy loatra. [1.1]
Dikanteny frantsaySi le plomb n' est pas de l' argent, c' est à cause de sa tendresse. [2.165]
Si l' étain n' est pas de l' argent, c' est qu' il est trop malléable. [2.415 #6001]
Fanazavana frantsaySe disait des gens bonasses. Autre sens : on n' est pas parfait. [2.415 #6001]
Se dit en parlant d' un homme trop débonnaire, et en le comparant à quelqu' un au cœur plus dur et plus sévère. [2.165]

Ohabolana 27Ny fitiavam-bola mosavy misoko. [2.558 #3006]

Ohabolana 28Ny fitiavam-bola no volom-bodin' ny mosavy. [2.165 #736, 2.415 #2320]
Dikanteny frantsayL' amour de l' argent c' est les plumes de la queue de la sorcellerie. [2.165 #736]
L' amour de l' argent est la queue de la sorcellerie. [2.415 #2320]

Ohabolana 29Ny olona Andrianotahina, fa ny vola Andriamitahy. [2.558 #3187]
Ny olona Andriantahina, fa ny vola aman-karena Andriamitahy. [2.165 #735, 2.415 #2548]
Dikanteny frantsayLes hommes reçoivent aide et protection, mais ce sont les richesses qui les aident et les protègent. [2.415 #2548]
Les hommes reçoivent les bénédictions, mais c' est l' argent et les richesses qui les donnent. [2.165]

Ohabolana 30Ny sodokan' ny amboa tsy ho vola, hitaiza zana-kisoa mba hiavotana. [2.558 #3250]

Ohabolana 31Ny taolana mahajamba ny alika, ny hena mahajamba ny adala, ny vola mahajamba ny hendry. [2.415 #2229]
Dikanteny frantsayUn os aveugle un chien, un morceau de viande aveugle et passionne les sots, l' argent aveugle et passionne les gens sages. [2.415 #2229]
Fanazavana frantsayOn est prêt à toutes les folies pour acquérir les richesses. [2.415 #2229]

Ohabolana 32Ny vola dia rano an-driana : ny lasa dia lasa ihany, ny tonga dia tonga ihany koa. [2.558 #3361]

Ohabolana 33Ny vola no mosavin' ny fihavanana akaiky. [2.558 #3363]
Ny vola no mosavin’ ny fihavanana indrindra. [2.653 #2490]

Ohabolana 34Ny vola Ramangatsimahatola, ny aina Ramangatsiatakalo zavatra. [2.558 #3362]

Ohabolana 35Ny vola tahaka ny volon' orona : tsaroan' ny aina raha anongotana. [2.558 #214]

Ohabolana 36Ny vola tahaky ny vato sy ny vy, koa tsy mba miteraka, fa ny vava no mampiteraka azy sy ny teny fanekena. [2.415 #2232]
Dikanteny frantsayL' argent est comme la pierre et le fer, il ne produit pas ; c' est la bouche, ce sont les paroles du contrat qui lui font produire des intérêts. [2.415 #2232]
Fanazavana frantsayFormule de prêt à intérêt. [2.415 #2232]

Ohabolana 37Ny vola tsy lany hamamiana fa ny fihavanana mahavonjy amin' ny sarotra. [2.558 #3366]

Ohabolana 38Ny vola tsy mahafadiana, fa ny kely te-hiampy, ny be te-hiampy rahateo. [2.558 #3367]

Ohabolana 39Ny vola tsy mba marary. [2.415 #391]
Dikanteny frantsayL' argent n' est jamais malade. [2.415 #391]
Fanazavana frantsayIl fallait se racheter de la corvée à prix d'argent ; la maladie n' en dispensait pas. [2.415 #391]

Ohabolana 40Nofon-kena mitam-pihavanana. [2.415 #5290, 1.1]
Nofon-kena mitam-pihavanana, vola kely atero ka alao! [2.558 #2805]
Fanazavana malagasyFanomezana ifanaovan' ny mpifankatia ka mahatonga ny fihavanana ho mafimafy kokoa. [1.1]
Dikanteny frantsayUn morceau de viande entretient l' amitié. [2.415 #5290]
Fanazavana frantsaySe disait des petits cadeaux qui entretiennent l' amitié. [2.415 #5290]

Ohabolana 41Ody fitia miohatra ny vola : mosavy. [2.558]

Ohabolana 42Raha fotsy noho ny Vazaha, bobo; ary raha ody fitia miohatra noho ny vola, mosavy. [2.653, 2.415]
Raha fotsy noho ny vazaha : bobo; ny ody fitia miohatra ny vola : mosavy. [2.558]
Dikanteny frantsayUn homme plus blanc qu' un Européen, c' est un albinos ; un philtre ou talisman d' amour qui est plus fort que l' argent, c' est un sortilège. [2.415 #16]
Fanazavana frantsayLe sens général est un sens d'excès. [2.415]

Ohabolana 43Raha misambo-bola hianao, aloavy haingana ny volan' olona, fa ny trosa mahalao monina. [2.415 #4448]
Dikanteny frantsaySi vous empruntez de l' argent à quelqu' un, rendez-le vite, car les dettes dégoûtent du pays. [2.415 #4448]
Fanazavana frantsayLes débiteurs s'expatrient, ce qui est une grande peine. [2.415 #4448]

Ohabolana 44Soa vola mañatseke, rate vola mañamboho. [1.68]
Soa vola mañatsike. [1.68]
Dikanteny frantsayBonne parole par devant, mauvaise par derrière. [1.68]
Bonnes paroles en face, hypocrite. [1.68]

Ohabolana 45Sodi-drofian-dRainilaizafy : midina, lany vola folo ; miakatra, lany fatotra amam-pondrana. [2.415 #2406, 2.653 #2913]
Sodin-drofian-dRainilaizafy : midina lany vola folo, miakatra, lany fatotra amam-pondrana. [2.165 #2288, 2.558]
Dikanteny frantsayIl se ruine et fait de mauvaises affaires. [2.415 #2406]
Fanazavana frantsayRainilaizafy détache les fibres de raphia : en descendant sur la côte il dépense deux piastres et demie, et en remontant il épuise tout l' indigo et la teinture que donne la souche du bananier. [2.415 #2406]

Ohabolana 46Tiako tahaky ny vola hianao. [2.415 #5141]
Dikanteny frantsayJe vous aime comme l' argent. [2.415 #5141]

Ohabolana 47Toy ilay namatra isam-pangady : raha tsy tonga ny vola, dia vary no afatra. [2.415 #738]
Toy ilay namatra ny isam-pangady : raha tsy tonga ny vola dia vary no afatra. [2.165 #2186, 2.558 #4239]
Dikanteny frantsayC' est comme celui qui fixait l' impôt sur les rizières : à défaut d' argent il prenait du riz. [2.415 #738]
Semblable à celui qui fixait l' impôt sur le riz (ou les rizières): quand l' argent ne venait pas, il recevait du riz (à la place). [2.165]

Ohabolana 48Toy ny tsimbolavola ka ararany ihany. [2.165]
Toy ny tsimbolavola ka tsy vola akory. [2.165]
Toy ny tsimbolavola, ka tsy vola tsy akory. [2.653 #3246]
Toy ny tsimbolavola, ka tsy vola tsy akory fa anarany ihany. [2.558 #4348]
Dikanteny frantsaySemblable à la sauterelle "tsimbolavola" , elle n' a que le nom. ou, ce n' est pas de l' argent du tout. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe vient de la ressemblance du mot "tsimbolavola" (sauterelle brune) avec le mot "vola" qui veut dire argent. [2.165]

Ohabolana 49Toloran' olona vola hianao, tandremo ; toroana hevitra hianao, raiso ihany. [2.415 #6528]
Dikanteny frantsayQuelqu' un vous offre de l' argent, prenez garde ; on vous suggère un avis, recevez-le. [2.415 #6528]

Ohabolana 50Tsy mahafoy lasiray hamidy takotra ka manta vary. [1.1]
Tsy mahafoy ny hamidy takotra, ka sendra ny manta mohaka. [2.558 #4510]
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary. [2.165 #607, 2.415 #2334]
Fanazavana malagasyTsy mahafoy zavatra kely toy inona, ka very soa lehibe nety ho azo tamin' io. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui ne veut pas dépenser de l' argent pour acheter un couvercle de marmite mange du riz mal cuit. [2.415 #2334]
Qui ne veut pas dépenser de l' argent pour acheter un couvercle de marmite, mange du riz mal cuit. [2.165]

Ohabolana 51Tsy mety raha ny mahazo andevo milefa indray no mandoa vola folo. [2.415 #597, 2.558 #4661, 2.653 #3477]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas que celui qui rattrape un esclave déserteur, paie deux piastres et demie. [2.415 #597]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas être puni d'une bonne action. [2.415 #597]

Ohabolana 52Tsy misy tsy hain' Imerina, fa ny vola ihany no tsy hainy. [2.415 #312]
Dikanteny frantsayL' argent venait des autres pays ; on se servait des pièces de cinq francs des divers pays, ou bien entières, ou bien fractionnées au ciseau à froid en morceaux qui étaient pesés. [2.415 #312]
Fanazavana frantsayL'Imerina sait tout faire, excepté l' argent. [2.415 #312]

Ohabolana 53Varotra amin-dRenidona, ka sady vola no vary. [2.558 #4867]
Varotr’ amin-dRenidona, sady vary no vola. [2.653]

Ohabolana 54Vatsy tsy miohatra ny marina, soa tsy miohatra ny vola. [2.558]

Fizahan-teny