| OHABOLANA |
Adidinao tsy namangy, fa ny aretiko sitrana ihany [Rajemisa 1985]
|
| FANAZAVANA MALAGASY |
Ianao no mahazo tsiny amin' ny fihavanana noho ny tsy nitsidihanao ahy narary, fa izaho itý sitrana ihany [Rajemisa 1985]
|
|
|
| OHABOLANA |
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy [Rajemisa 1985]
|
| FANAZAVANA MALAGASY |
Saika izay miseho ho mahavita ihany no voatsinin' ny maro matetika [Rajemisa 1985]
|
|
|
| OHABOLANA |
Ny toko no tapaka ka ny sampanan-dalana no manana adidy [Rajemisa 1985]
|
| FANAZAVANA MALAGASY |
Enti-milaza ny olona manome loza ny hafa, nefa ny nataony ihany no nahavoa azy [Rajemisa 1985]
|
|
|
| OHABOLANA |
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha [Rajemisa 1985]
|
| FANAZAVANA MALAGASY |
Ny loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin' ny fahavoazan' ny olona entiny avy [Rajemisa 1985]
|
|
|
| OHABOLANA |
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy [Rajemisa 1985]
|
| FANAZAVANA MALAGASY |
Ny teny mora mahatsara fihavanana fa ny vava ratsy kosa itondrana heloka ka maharatsy fihavanana [Rajemisa 1985]
|
|
|
| OHABOLANA |
Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy [Rajemisa 1985]
|
| FANAZAVANA MALAGASY |
Enti-milaza zavatra izay tsy miankina amin' ny hafa fa amin' ny tena ihany (eto, ny endrik' ilay zazavavy na ny tsy fahaizany mitafy no maha-tsara na maha-ratsy azy; marihina fa toa manala ny rainy sy manadidy ny hafa eto ny ohabolana, ny antony an-gamba dia satria ny reniny no tokony ho efa nampianatra sy nanazatra an-janany hitafy lamba sarika hatry ny ela) [Rajemisa 1985]
|
|
|
| JEREO |
|
|