OHABOLANA : ady

OHABOLANA Ady amin' adala: ny manam-panahy no mandefitra [Rajemisa 1985]
FANAZAVANA MALAGASY Tsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin' ny kely saina ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana [Rajemisa 1985]


OHABOLANA Adin' ankizy: miady maraina, tsara hariva [Rajemisa 1985]
FANAZAVANA MALAGASY Entina milaza ny olona miady tsy mba manana otri-po na fankahalana maharitra fa mora mifankahazo na mihavana indray [Rajemisa 1985]


OHABOLANA Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina [Rajemisa 1985]
FANAZAVANA MALAGASY Raha misy olona roa na antokon' olona roa tonte samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapampana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy [Rajemisa 1985]


JEREO


© 2001-2010 J-M de La Beaujardière
Takela isoratana ny soso-kevitrao