OHABOLANA : anatra

OHABOLANA Ny ana-dray amandreny toy ny tsipak' ombalahy: raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina: tsy tokony hatao tsinontsinona na oviana na oviana ny torohevitra omen' ny ray aman-dreny [Rajemisa 1985]


OHABOLANA Ataovy anatra imaso hifanatrehana, fa raha takona tonga fosa [Rajemisa 1985]


OHABOLANA Mpiasabe vonton' anatra: any an-tsena avy no manao "mbay lalana" [Rajemisa 1985]
FANAZAVANA MALAGASY Ny zavatra rehetra -- na dia izay tsara aza -- dia mety hiova ho ratsy rehefa mihoapampana, mihoatra ny fetra [Rajemisa 1985]


OHABOLANA Mpiasabe vonton' anatra ka manao mbay lalana an-tsena [Rajemisa 1985]
FANAZAVANA MALAGASY Enti-milaza ireo olona tsotra loatra ka tsy mandinika izay tokony sy tsy tokony hampiasana ny anatra omena azy fa rehefa izay no voalaza dia tanterahiny na manao ahoana na manao ahoana [Rajemisa 1985]


JEREO


© 2001-2010 J-M de La Beaujardière
Takela isoratana ny soso-kevitrao