hitondra ny ain’io omby io.

Ny zaza maty tsy mbola voafora dia tsy maintsy ho foraina izy vao alevina ao am-pasan-drazana, fa raha tsy natao izany hono izy dia tsy raisin’ny fahasivy sy Ndriananahary, ka tonga manjenjena eny ho eny ka mampalahelo.

Tsy maintsy ampandroina hadio tsara ny faty sady saforana lamba madio tsara, fa mahamenatra an’Andriamanitra sy ny Razana ny hitondra lamba maloto sy tena be tseroka any. Ny volon ’ny maty koa randranina tsara (na lahy na vavy dia mirandrana ny Bara) fa hihaona amin'ny mpianakavy.

Izany ny amin'ny fiomanana ho any ankoatra ka toy ny ampakarina ho any Amboromena.

4- Ny toetry ny efa tonga any

Tsy toy ny fiheveran’ny Grika sy ny Romana hoe : rehefa maty ny olona dia misotro