[ireto] fanontaniana efatra ireto :
1. Inoan’ny Bara va, fa misy Andriamanitra ?
2. Ahoana no fomban’Andriamanitra araky ny finoany Azy ?
3. Andriamanitra firy no inoany ?
4. Aiza no toerana misy an’Andriamanitra araky ny heviny ? dia halahatra tsirairay avy ireo fanontaniana ireo hahitana ny finoany ny amin'Andriamanitra.

1- Ny finoany ny fisian’Andriamanitra

Ity finoan’ny Bara ny fisian’Andriamanitra ity dia miseho amin'ny fomba sy fiteny an-davan’andro.

a- Amin'ny fanozonana

Raha miady ny zaza amam-behivavy dia mifanozona hoe : « Alain-janahary » na « Vonoin-janahary ». Izany mampiseho fa misy Zanahary mamono na maka.

Ny olona manan-janaka ratsy fanahy ka efa tsy leo anarina ilay zaza fa manao tsinontsinona ilay rainy na reniny, dia malahelo ny ray aman-dreniny ka manozona azy : Tondrahany rano ny kihony ka afafiny any an-danitra ; sasany koa ny nonony dia afafy miakatra koa. Miteny amin'izay izy hoe :