[halahatra eto ] fa rakitra miafina tao am-pon’ireo razam-be nifandimby ireo izany. Na dia efa niova be aza taty aoriana noho ilay nahazoana azy voalohany, satria tsy voasoratra. 

1- Ny tantaran’ny olombelona voalohany

Anti-dahy 2 sy ombiasa maromaro eo amin'ny Bara no mbola nahatahiry izao ho lazaina izao. Ireo anti-dahy ireo dia Ranovelo, Tsihekeny : « Lehilahy anakiray atao hoe Idama no olombelona voalohany indrindra teto ambonin’ny tany » hoy izy. « Nanana omby sy ondry ary osy betsaka izy io, nefa tsy nanam-bady ka sahirana. Indray andro anefa dia niakatra tany an-danitra izy hangataka namana amin'i Ndriananahary ho namany sy hahandro hanina ho azy, fa izy kosa sahirana ny fikarakarana ireo fananany. Nanaiky hanome azy Ndriananahary nefa nilaza taminy fa anio hariva dia ho tonga any hitondra namana ho azy Izy fa mbola [sahirana manamboatra]