[amin'ny teny nataon’Idama ] voalohany hoe : « vadiko na navadiko ». Tamin’izay dia mbola tsy nahalala ny anaran’io vadiny io Idama, fa menatra rahavehivavy ka tsy nety nilaza ny anarany taminy. Fa tonga Ndriananahary ka nanambara ny anarany tamin’Idama fa Ihaova no anarany ka nomeny azy ho valin’ny fangatahiny.

Koa amin'izany araky ny nolazain’ny ombiasa Bara, dia atao hoe : Idama, raha lahy ary Ihaova, raha vavy ny zaza ateraka amin'ny andro alarobia vintana Alahamaly ; ary raha ampivadiana ny zanak’olona samy hafa teraka amin’io andro sy vintana io dia hiteraka hatramin’ny 12 izy, 6 vavy, 6 lahy, satria nahazo ny vintan’ny andron’Idama sy Ihaova, izay razam-ben’ny olona rehetra izy. 

2- Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany

Niadana tsara hono izy mivady [tamin’izay sady nanan-karena indrindra]