« Ran-tanako ran-tongotro, eny, aiko aza hianao nefa mafy laotra izao ataonao ahy izao ka ren-janahary, hitan’ny Ndriananahary : koa veloma ny ainao, soàva ny tenanao, miteraha zaza maro, mitomboa fananana, nefa izao ataonao ahy izao mba hataon’ny zanakao anao ».

Amin'izany dia hita fa mino ny fisian’Andriamanitra ny Bara ka fantany fa mahita ny ratsy ataon’ny olona Izy sady mamaly izany.

b- Amin'ny fianianana

Ny lazain’ny olona fa manao ratsy (mangalatra, ets.) nefa tsy misy vavolombelona mazava mahatoky amin'izany, dia fianianana no anefana azy. Indraindray fianianana am-bava ihany toy ny miantso an’Andriamanitra haniraka ny varatra hamely ilay olona, raha nanao ratsy izy, sy maingoka hanaikitra eo an-tany itoerany eo ihany, ary hiaro azy amin'ireo loza ireo kosa, raha mba tsara ihany no nataony. Ny sasany indray ampilomanosina amin'ny rano lalina masia-boay ka antsoina koa Andriamanitra hibaiko ny voay hihinana azy, fa hitondra azy soa aman-tsara