[an-kidim-bitsika ] (lavam-bitsika) na am-body vato mba ho solon’ny tenany halevina.

Ary farany dia maka fitaratra anankiray izy rehetra ao an-trano ka apetrany eo anoloan’ny marary ary izy rehetra ao an-trano dia samy mijery eo tsirairay no miteny hoe : « Indro hitako Ranona (ilay marary) tsy very fa mbola velona ». Dia vita amin'izay ity avotra lehibe ity ka manantena ny mpianakavy fa ho sitrana ny marary fa afa-tsiny afa-kilema eo anatrehan’Andriamanitra. 

3- Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao

Manana ny zava-padin-drazany tsy azon’ny taranany dikana ny Bara, nefa satria ny olona tsy dia velona mitoe-potsiny eo an-tanàna fa tsy maintsy mitady vola, omby, mitafika, ets... Ho sahirana anefa ireo amin'ny fadi-drazana maro samihafa any am-pandehanana any raha tsy misy [avotra azo atao amin'izany,]