io iriny io dia manatitra ny zavatra efa nivoadiany tamin’i Ndriananahary io tokoa izy.

Ny sasany indray efa nahazo zava-tsara maro samihafa toy ireo zavatra efa voatonona teo aloha ireo, nefa tsy nahatsiaro hanome an’Andriamanitra sy ny razana ka dia takiny (nisy loza avelany hihatra aminy : marary ny tenany na ny vadiny, ny zanany, na hisy maty maromaro ireo ombiny) mba hahatsiarovany an’Andriamanitra ka hanomezany Azy.

Izany rehetra izany no anton’ny anaovan’ny Bara fanatitra. 

5- Ny fomba fanaovana sorona

Efa voalaza teo aloha fa tsy zavatra tokana ihany no azo atao sorona, fa zavatra maromaro : omby, taoka, vary, arak’izany dia samihafa koa ny fomba fanao azy. Ny taoka sy ny vary dia mitovitovy ihany ny fanao amin'ny fanaterana azy ho sorona, fa ny omby no hafa dia ho lazaina tsirairay avy ny amin'izany : []