a- Raha ny omby no hatao

Entina ao antsinanan-trano ka afatotra amin'ity hazo miorina amin'ny tany ity - iray metatra sy sasany ny halavany, ohatra ny fe ny halehibeny - « Hazomanga » no anaran’io hazo io. Ny tampony ambony fotsiana izany hoe : ofasana ny hodiny sady atao maranitra mitsiotsioka ny lohany. Ny sasany anefa dia fotsiana daholo ny tenany manontolo.

Dia mivoaka amin'izay ny mpisorona mitondra fanovo (zinga voatavo) feno rano eny an-tànany havanana, efa nisasa tànana madio tsara izy. Tsy ny lamba fitafiany isan’andro no anaovany fa madiodio noho iny ary lambamena sy arindrano tokantsisina aza. Ary ny mpianakavy manaraka azy ho eo an-kianja.

Rehefa tonga eo an-kianja dia mipetraka tsara manatrika miatsinanana daholo ny olona rehetra, tsy misy mahazo miteniteny akory, fa mampiseho fa [hamaontinana]