[vonoina ny ] omby, ny satrohiny (vody hena ) dia anjaran’ny mpisorona. Ny fony mbanin’izay rehetra momba azy dia an’ilay mpanampy ny mpisorona. Analana kely ny trafony ka tohizina eo an-tampon’ny hazomanga. Ny hena sisa dia zarain’ny be sy ny maro dia mirava fa vita ny sorona. 

b- Raha vary no atao

Totoina madio tsara ny vary tsy asiana maintimainty na akotry aza. Dia andrahoina ary rehefa masaka dia velarina ery atsinanana manolotra ny rindrina ery ny tsihy madio tsy mbola nandrian’olona, eo ambonin’io tsihy io asiana harona mifanarona atao hoe « Tsandetsy » Eo ambonin’io indray asiana sahafa dia zavatra madio tsara efa norarena koa. Ary ny farany ambony indrindra lafihana ravin’akondro. Loarana amin'izay ny vary hatao eo. Etsy ambany nasiana ravina ihany dia