[dia manao ilay] ohabolana hoe :
1- « Kinia an’olo, jaka an-Janahary » (fikasana an’olombelona, lahatra an’Andriamanitra). Ny tsy ahazoana manambaka ny adala hoe : 2- “Ny maala no tsy fitahy, ny Zanahary no atahora ».

Ny marary nasian’ny ombiasa ody, nefa tsy sitrana fa maty dia miteny izy hoe : 3 - « Ny Zanahary miditra eo am-baravaran-kely fa ny ombiasa kosa miditra etsy am-baravaram-be”.

Ny Zanahary mandray ny ainy avy eo an-doha, fa ny ombiasa kosa mitana ny tenany etsy an-tongotra ; dia mahery ny Zanahary, ka maty ny marary, ary tongany ny ainy.

Raha te hampiseho ny mahasamihafa an’Andriamanitra sy ny ombiasa izy, dia miteny hoe : 4- « Ny ombiasa tao am-pon’olona, ny ody tao am-pon-kazo, fa ny Zanahary ao an-tampon’ny lanitra ambony fipetraka, fa ambany fijery». Mitranga amin'izany koa ny finoany ny fisian’Ilay Tsitoha manerana izao rehetra izao.

e- Amin'ny angano ataony

Saiky manerana ny angano rehetra ataon’ny Bara, indrindra fa ny fanaon’ny vavy [antitra amin'ny zafikeliny]