mpisorona mamerina fivavahana nataony tamin’ny sorona omby ireo na ny tamin’ny Zanahary na ny tamin’ny fahasivy. Ary rehefa vita koa ny teniny dia miandry kely dimy minitra dia donina ny rindrina ary hetsehina ny hanina mba handroaka azy teo fandrao misy variana ny hanina eo hono ka tsy mahita ny odian’ireo namany. Dia ataon’ny mpisorona indray ilay teny farany fampodiany azy na ny amin'ny Zanahary na ny amin'ny fahasivy. Ny rano ao anatin’ny fanovo ao an-tranon ’ny mpisorona dia afafiny amin'ny olona rehetra ao an-trano. Tahak’io koa no atao amin'ny sorona taoka. Ny vary na ny efa natao sorona na ny mbola sisa teroa ambilany dia azon’ny olona rehetra hanina avokoa. 

c- Ny sorona ren-janahary

Tsy dia miseho matetika raha tsy indraindray foana ity sorona ren-ja [nahary ity,]