mahazo mody any amin'ny misy azy avy ireo, ka mahazo mihinana ny zava-pady fony mbola nianatra. Ilay hazo fisaka atao hoe : « fafa » izay nanoratana ny zavatra nianarana dia atsipy any anatin’ny rano malaza mba hampalaza ireto mpianatra nianatra taminy ireto.

Hatramin’izao dia azon’ny olona antsoina hoe « ombiasa » fa tsy mpianatsasy koa. Nefa ny Raevola manonona azy hoe : « Zanabola » Vitany amin'io ny fianarana amin'ny ambaratonga voalohany izany hoe : ho ombiasa ambany, fa tsy mbola ampy toa inona io efa hay io, raha ny habetsahan’izay tsy mbola nianarana no haverina.

4- Izay hatao ody sy fanaovana azy

Ravin-kazo sy ny vahany no dia tena fanaony ody ary misy efatra ny fanaovany azy :
(1) Ny ravin-kazo maitso : Ireo dia ody eny amin'ny tampontanety