[milina isan-] karazany, sary, famantaranandro maneno isan’ora, etc izy, dia vaky vava hoe : « Saiky ho no Zanahary anao (ihany) io olo atao vazaha io amin'ny fahaizan-javatra, feny (nefa) ny aina sy ny ra tsy hainy io avao (ihany) no mahalatsaka azy tsy itoviany Aminy. »

c- Mahatahotra

Aretina mahazo ny firenena mpivavaka amin'Andriamanitr’izy rehetra ity tahotra an’Andriamanitra ity, ka manjoa ny Bara koa izany aretina izany. Heveriny fa andriana lozabe tsy azo ifampiraharahana akory Andriamanitra, na mba azo antsoina hiara-mitoetra ao an-tranon’ny tena akory aza, indrindra moa fa ny antsoina toy ny fanaon’ny kristianina hoe : « midina ao anatin’ny fonay hitari-dalana. »

Noho izany teo aloha dia nanahirana ny hanorina trano fiangonana teo akaiky ny tranon’ny Bara, « fa trano iantsoana an’Andriamanitra isan’andro ireo » hoy izy « ka mampasia-baratra, satria Andriamanitra masia [ka no monina ao]