3- Vintana eo amin’ny lanitra

Kintana milahatra tsirairay sy tsiroaroa ary tsitelotelo ity ataony hoe : vintana ity. Ary ireo kintana ireo dia samy hoameny anarana toy ny anaran’ny olona eto an-tany.

Toy izao ny filaharan’izany :

Roa mifanandrify eo anolohany indrindra dia ataony hoe tandrony, famantarana ny zanak’andriana tsy manana fanjakana io ka omeny anarana hoe : anakova tsy manjaka. Kintana mena mamirapiratra no manaraka io ; ombiasa no ataony anarany ; raha iaran-doza hono io kintana io dia ombiasa rehetra no voa.

Ny kintana roa manarakaraka an’io, dia ataony hoe : ny vadin’ny ombiasa sy ny zanany.

Manaraka ireo indray dia kintana roa mifanolotra ohatra ny kambana tsy hita akory izay isarahany raha tsy dinihina ela dia ela izy ;  vehivavy [bevohoka]