izany ka tsy maintsy hisoritra fotaka sy lomotra izay nanonofy izany hisakana ny ratsy. Izay nanonofy nitondra faty na nitomany faty dia hifoha iny alina iny izy raha tsy mbola nilaza tamin’olona ka handro any an-drenirano mba ho entiny ny ratsy ka tsy ho tanteraka tokoa. Ny vehivavy nanonofy nihady ovimanga vokatra sy voatavo maintso maro dia fambara hono fa hanan-janaka izy. Ny manonofy vesaran’olona sinin-drano kosa no hitera-jaza vavy.

Izany rehetra izany no finoan’ny Bara ny amin'ny fambara miseho eto ambonin’ny tany ny amin'izay ho tonga amin'ny olona na ho tsara na ho ratsy izany. 

2- Ny fambara miseho amin'ny lanitra

a- Ny basia mifindra

Ireo kintana [mifindrafindra]